TSY MISY AHIANA NY MOMBA IREO OSY NAFARANA

 

Karazana osy Angora
Karazana osy Boer

Ho fanatanterahana  ny  fanamaroana ny karazan’asa eny ambanivohitra, voafaritra ao amin’ny  MAP, no nanafaran’ny Fitondram-panjakana Malagasy ireo  osy roa karazana  dia ny “Angora”  sy “Boer”.
Natao indrindra izany ho fampiroboroboana ny fiompiana Osy eto Madagasikara, sy ho  fanatsarana ny taranany.
Ilay karazan’osy antsoina hoe “Angora” dia  natao hakana volo, akora fototra ilaina amin’ny  fanamboarana  “tapis mohaire”  na “karipetra volon’osy”  izay mampalaza ny faritra atsimon’ny nosy iny. Manome volo lava sady fotsy  tsara,  avo telo heny amin’ny nomen’ireo karazan’Osy efa nisy teto hatrizay ny “Angora”.
Ilay karazan’osy atao hoe “Boer”  kosa dia natao hakana hena satria vaventy sy be nofo ary  manatombo be amin’ny lanjan’ireo karazan’osy  efa nisy teto  hatrizay ny lanjany raha tomombana tsara ny fiompiana.
Taorian’ny fepotoana nihazonana ireo osy ireo tao  amin’ny vala  fanarahamason’Ampitambe Moramanga dia hita fa tsy nitondra aretina avy any ivelany mihintsy  ireo Osy ireo fa salama tsara sy matanjaka amin’izao fotoana izao. Tsy misy ahiana araka izany  ny anapariahana ireo Osy ireo manerana ny faritra  22 eto amintsika.
Ho fitandroana  ny fahasalaman’ireo Osy ireo moa dia efa nisy ny fanalana  katsetsitra anatiny sy ivelany natao azy, nisy koa  ny fanaovana vakisiny fiarovana azy ireo amin’ny  Besoroka,

Ny tsara ho fatatra

Ho an’ireo izay manam-paniriana  ny hiompy ireto Osy ireto dia fantaro fa mitovy  ny fiompiana sy fitandroanana ny fahasalaman’ireto karazan’Osy  roa ireto:

  1. Vilona no tena foto-tsakafony, ahitra maitso, na maina, raketa, otri-bilona; azo omena provandy  koa izy ireo ho  fanampi-tsakafony raha ilaina izany.
  2. Ho  fiarovana azy amin’ny katsetsitra  anatiny sy ivelany ( kongona, kankana, dinta…)

Dia omena  odi- kankana indray mandeha isan-bolana ny Osy mandritry ny  3 volana  voalohany ary  averina isan-telo volana izany avy eo.
Misy ny tsindrona amin’izany fa tsara koa  ny famapandroana  azy amin’ny ranom-panafody  indray mandeha isan-telo volana. Indray mandeha isan-taona  no anaovana  ny vakisiny  ho fisorohana ny aretina Besoroka ( Charbon )

Ny fiaimpiainan’ny osy   

 Biby mora ompiana  ny osy ary  haingam-pihodina; biby madinika izy ary  mety aminy avokoa ny  karazan’ahitra rehetra.
In-telo miteraka  ny Osy ao anatin’ny roa taona, 5 volana izy no mitondra vohoka. 10 volana dia efa afaka  manaranaka ny lahin’Osy  ary 6 ka hatramin’ny  8 volana kosa ny vaviny. Matetika izy  ireo no miteraka  kambana 2 na 3 na 4.
Ho an’ireo Osy fakana hena dia mahatratra 70 kg  ny lahin’Osy iray raha  tomombana ny fiompiana, 60 kg kosa ny vaviny. Mandritry ny  fanatavezana sy ny  fitondrana vohoka no tsara  omena  fanampin-tsakafo toy ny provandy ny Osy.
Ho an’ireo Osy fakana volo dia in-droa isan-taona  no fanapahana ny volony, lava sady fotsy tsara   ka eo amin’ny 3 kg no azo raha 1 kg no omen’ireo karazana efa misy eto amin-tsika.
Mahazaka   tsara ny  toe-tany eto Madagasikara  izay tsy  mifanalavitra amin’ny  toetany niaviany ireo  Osy ireo ka afaka mivelona  tsara  eto amin-tsika.

Tombotsoa  azo amin’ny  fiompiana

  1. Volo sy Hena
  2. Hoditra
  3. Ronono
  4. Menaka
  5. Tandroka
  6. Kitro
  7. Zezika

Fividianana ny Osy

Isan-tarika ny fividianana ny Osy  ka osy 10 no ao anatin’ny tarika iray,  ahitana lahin’Osy  iray  ( 01 )  sy vavin’Osy  sivy ( 09 )  amin’ny karazany iray,  na Osy fakana volo “Angora” na  Osy fakana hena “Boer”.
Mameno atontan-taratasy na “ Fiche de souscription”  ireo izay maniry hividy ary  mandefa izany any amin’ny DRDR ny faritra sy any amin’ny DIREL Ampandrianomby. Ny DIREL no manao ny sivana  ireo atontan-taratasy sy manao ny  fifanarahana rehetra.
Eo anelanelan’ny 1.500.000 ar sy ny 2.000.000 ar ny vidin’ny tarika  iray  amin’ny Osy  ka arakaraka ny habeny io.
Azo ato  in-droa mandoa ny vidin’Osy  ka ny 40% aloa mialohan’ny fanaovan-tsonia fifanarahana  ary ny 60%  kosa aloa mandritra ny roa taona.

Manatona ny  DIREL any amin’ny faritra  misy anao na ny DIREL eny Ampandrianomby hahazoanao ny fanampim-panazavana.

Date: 4 Avril 2008
Rédacteur: Fiononana Ranaivoson