TETIK'ASA FAMPIROBOROBOANA NY FIDIRAMBOLA ENY AMBANIVOHITRA
(PPRR).


Fanomezan-dàlana ny fankatoavana ny fampisamborambola faha 621 noraketina tamin'ny 24 febroary 2004 ifanaovan'ny Repoblikan'ny Madagasikara sy ny Tahiry Iraisam-pirenena ho an'ny Fampandrosoana ny Fambolena (FIDA) momba famatsiam-bola ny TETIK'ASA FAMPIROBOROBOANA NY FIDIRAMBOLA ENY AMBANIVOHITRA (PPRR).

Ny tetik'asa PPRR dia manao ho tanjona manokana ny :

1- Fanatsarana ny fahatongavan'ny mpamokatra ho eo amin'ny tsena sy fanatsarana ny vokatra ao anatin'ny "sehatra firaisanombonantoka"
2- Fanamafisana sy fanamaroana ny fototry ny famokarana mba hampaharitra azy amin'ny fanovana tetik'asa madinika ;
3- Fahatongavana ho eo amin'ny fitantanambola mifanaraka amin'ny tokony ho izy.

Ny Tetik'asa dia haharitra 8 taona, ka hisy dingana voalohany izay haharitra 3 taona.

Ny Faritry ny Tetik'asa dia hahaenika :
- Amin'ny dingana voalohany, ny Fivondronana Vavatenina. Fenoarivo-Atsinanana, Soanierana-Ivongo ary Sainte-Marie ;
- Amin'ny dingana faharoa : ho itarina arakaraka ny fangatahana avy any amin'ireo mpamokatra any ifotony sy ireo mpandraharaha ara-toekarena.

Any amin'ny faraparan'ny taona faha telo dia hisy iraka hizaha ny maha mety ny hanitarana azy any amin'ny Fivondronana hafa.

Raha atotaly dia mponina 1,2 tapitrisa sy kaominina ambanivohitra 87 no eritreretina ho eniky ny Tetik'asa Kendrena ho tratra ireto tombontsoa ireto.

- Fidirambola fanampiny 3,5 tapitrisa dôlara amerikana isan-taona rehefa tena mandeha ny tetik'asa noho ny fisian'ny sehatra, foibe hahazoana miditra any amin'ny tsena, tetik'asa madinika, fialana amin'ny fitokana-monina, ary fampandrosoana ny fampindramambola madinika ;

- Tokantrano 30 000 hahazo tombontsoa, ka ny 10 000 amin'ireo amin'ny alalan'ny tetik'asa madinika, 20 000 avy amin'ny alalan'ny karazan'asa hafa. Izany hoe fidirambola fanampiny 6 000 000 Fmg isan-taona, isan-tokantrano.

- Karazana tombontsoa tsy hita ho tanisaina toy ny :
* Fanatsarana ny farim-piainana
* Fahazoan'ny mpiara-monina mandray antanana ny fampandrosoana ao aminy ;
* Fampihenana ny fiankinan-dohan'ny tantsaha amin'ny fampindramambola tsy ara-dalana ;

Ny Tetik'asa PPRR dia mifototra manodidina ny tetik'asa mandeha in-droa miantoana.
I- Andaniny, ny Fampandrosoana ny ivo (pôles) fiaraha-miombon'antoka manodidina ny foibe misy asa, ikendrena ny fanatsarana ny fankanesan'ny mponina any amin'ny tsena.
Ireo sehatra, izay mahasahana ny 10 kilaometatra manodidina (eo amin'ny halehibena kaominina ambanivohitra iray ankeviny) dia ho tantanin'ny fikambanana mpamokatra eo an-toerana ary hampandroso ny fiaraha-miombonantoka amin'ireo mpandraharaha ara-toekarena liana amin'izany.

Karazana sehatra sy orinasa maro no voatily amin'izany toy ny:
- Foibe fanangonana vokatra fanondrana ;
- Orinasa fanodinana, toy ny fitanehana menaka fanaovana zava-manitra (huile essentielles)
- Foibe fanangonana akotry miasa toy ny trano fanangonam-bokatra itambaran'ny tantsaha.
Ireo sehatra ireo dia ho vatsiana sy ho esorina amin'ny fitokana-monina, dia ho varavarana mivoha ho an'ny karazana hetsikin'ny tetik'asa.

II- Ankilany, dia araraotina io hetsika aterak'ireo sehatra ireo hanamafisana ny rafitry ny fikambanana afaka handray an-tanana ny fampandrosoana eny ifotony ka tsy hanaovana anjorom-bala ireo mponina tena marefo, sy hanohanana ny fanatsarana sy ny famaroana ny famokarana eny ifotony.

Ny PPRR dia mizara efatra:
- Voalohany : fampandrosoana ny sehatra iraisanombonantoka eo amin'ny mpamokatra sy ny mpandraharaha ara-toekarena sy varotra, ny fampialana amin'ny fitokanamonina ary ny sampan'asa fanohanana izay mifandray amin'ny foibe mitondra any amin'ny tsena (CAM)
- Faharoa : ny hetsika fanohanana ny rafitra misy eny ambanivohitra (fanatsarana ny fitondrana eny ifotony, fanamafisana ny fikambanan'ny mpamokatra), ary koa ny hetsika fanohanana amin'ny fanamafisana, amin'ny fanamaroana sy fampaharetana ny famokarana.
- Fahatelo : varavarana mivoha ho any amin'ny fampandrosoana sy fanamorana ny fankanesan'ny mpamokatra any amin'ny sampandraharaha famatsiambola eny ambanivohitra mifanaraka amin'ny zava-misy.
- Fahaefatra : fampandehanana ny sampana fitantanana ny Tetik'asa (UGP) sy fanohanana amin'ny fanatsarana ao anatin'ny politikam-pirenena indrindra ny mikasika ny fitsinjaram-pahefana (décentralisation)

Ny totalim-bidin'ny Tetik'asa tafiditra ao ny tampoka ara-toetr'andro, dia mitentina 28,246 tapitrisa dôlara amerikana, mizarazara toy izao amin'ireo mpandray anjara :

Governemanta : 5 225 560 dôlara amerikana
FIDA : 14 449 720 dôlara amerikana
Mpahazo tombotsoa : 645 140 dôlara amerikana
Mpandraharaha : 91 550 dôlara amerikana
OPEP : 7 700 000 dôlara amerikana
Vondrona ifotony (collectivités locales) : 134 050 dôlara amerikana

Ireo mponina tilian'ny tetik'asa dia :
- Ny tokantrano eny ambanivohitra manana velaran-tany kely na tsy manana mihintsy ;
- Ny tokantrano miankindoha amin'ny voly fanondrana ;
- Ny tokantrano miankina amin'ny voly hohanina ;
Ny mpandraharaha ara-toekarena, izay mpirai-ombonantoka amin'ireo tokantrano ambanivohitra.