 |
|
|
| |
|
|
|
|
FITSIDIHANA
TENY IAVOLOHA NOKARAKARAIN'NY MAEP
MIARAKA AMIN'IREO TANTSAHA ETO AMIN'NY FARITRA ANALAMANGA
Alakamisy faha 12 May 2005
|
| |
Ny Alakamisy 12 May 2005 no natao teny Iavoloha ny
Fitsidihana ny Vitrine de Madagascar nokarakarain'ny
lehiben'ny DRDR Analamanga niaraka
tamin'ireo Tantsaha eto amin'ny faritra iandidiany.
Nisongadina tamin'izany fa maha velom-bolo tokoa ireo
vary izay hiakatra afaka fotoana fohy. Nampitolagaga
ireo Tantsaha izany vokatra izany ka toy izao manaraka
izao ny fanazavana fohifohy nataon'ireo tompon'andraikitra
Atoa RABENOMANANA Edmond, RAVELONIRINA Edline, RANDRIAMIARINTSOA
Tsimba samy avy ao amin'ny TEFY SAINA niaraka tamin'ireo
tompon'andraikitra ato amin'ny Minisiteran'ny Fambolena
sy ny Fiompiana ary ny Jono (DAPAG notarihin'Atoa
RALAHY Emmannuel) fa na dia somary taratara ihany
aza vao natao ny ketsa dia azo lazaina fa tsara ny
vokatra.

Lanjan'ny masomboly : 15 Kg/ha
Karazana masomboly : MAHALOMBA avy any Morondava
( X 274 an'ny FOFIFA)
Zezika nampiasaina : Zezi-pahitra 20 T/Ha miaraka
main'ny NPK 200 Kg/Ha
Karazana ketsa : Ketsa valo andro
Fotoana nanetsana : 09 Janoary 2005 ka natao
ketsa ambohitra izany
Fomba fanetsana : 25 cm X 25 cm diam-panorina
Fotoana niavana : in-telo
Vokatra andrandraina : 5 - 8 T/Ha
Nomarihiny tsara fa : - Ny antony nampiasana
zezika simika tamin'ity fambolem-bary voalohany ity
dia noho izy tany mena vao.
-
Amin'ny taona manaraka dia azo atao tsara ny tsy manisy
zezika NPK ny tanimbary satria efa hisy
ny voly avotra aorian'ny fijinjana vary, mba hanamasaka
kokoa ny tany sy hitondr aina vao ho azy.
-
Raha tsy misy ny sakatsakana eo amin'ny toetr'andro
dia azo heverina fa hitombo hanao lanja miakatra
hatrany ny voka-bary miakatra isaky ny Ha amin'ny
taona manaraka.
-
Ny teknika ihany no mifehy ny fiveloman'ny vary
-
Misy ireo zezika natao hanampiana ireo Tantsaha amin'ny
alalan'ny OTIV sy SECAM
Raha teo amin'ny dobon-trondro indray no hasian-teny
dia :

Karaza-trondro telo toy ny Tilapia
du Nil, Cyprin Doré, Carpe Royale no nataon'ireo
Teknisiana modely izay kendrena mba hahazahoana vokatra
tsara.
Natao izao mba hampiakatra ny fidiram-bolan'ny Tantsaha
sy hanatsarana ny traikefa efa eo aminy.
Toy izao ny andinindininy mikasika ireo karazan-trondro
telo ireo.
|
Libellé
|
Tilapia
du Nil
|
Cyprin Doré
|
Carpe Royale
|
| Nom de Famille |
Cichidae |
Cyprinidae |
Cyprinidae |
| Nom Scientifique |
Oreochromis niloticus |
Carassius auratus |
Cyprinus carpio |
| Noms Vernaculaire |
Tilapia, Barahoa,
Mahaimiteraka |
Trondro gasy, Fiamena,
Kabatroka |
Karpa, Karoka, Trondro
vahiny, Besisika |
| Régime
alimentaire |
Omnivore, Planctonophage |
Omnivore, planctonophage
Détritivore |
Omnivore |
| Habitat |
Etangs, Canaux, Rizières,
Zones calmes des rivières et lacs |
Eaux calmes, Etangs,
Marais, Canaux, Rizières et lacs |
Etangs, Canaux, rizières,
Zones calmes des rivières et lacs |
| Remarque |
|
Les Cyprins Dorés
peuvent avoir la couleur jaune ou la couleur rouge. |
|
|
|
| |
|
|
|
|
|
|
|
| |
|
 |
|
|