VAOVAON'NY FAMPANDROSOANA NY ENY AMBANIVOHITRA
  

VOLY VARY NOHATSARAINA
7 ,875 T/Ha no vokatra azon'ny tantsaha miara-miasa amin'ny PSDR ao Mahabo
Région MENABE

Nody ventiny ny rano natsakaina, izay no azo ilazana ny Tomban'ezaky ny fiaraha-miasan'ny Tetik'asa PSDR amin'ny Groupement Fihavanana ao amin'ny Commune Ankilivalo, District Mahabo, Faritra GTDR Menabe.

- Miaka-bary ny Commune Ankilivalo ka nomarihina ny Alakamisy 14 Aprily 2005 teo ny " Lohavogny " na " Santabary " izay natao nanoloana ny Biraon'ny Commune ihany. Mialohan'ny fihetsiketsehana samy hafa dia nidina teny an-tanimbary ny rehetra nijery sy nihaino ny fanazavan'ny Teknisiana mikasika ny fombafomba atao amin'ny fakana ny santionam-bokatra holanjaina handrefesana ny mety ho voka-bary isaky ny hekitara.

- Nahatratra 7,875 T/Ha ny voka-bary azon'Atoa Noelson, mpikambana ao amin'ny Groupement Fihavanana raha 2 T/Ha izany teo aloha.

- Nohon'ny fanohanana nataon'ny PSDR, tetik'asa eo ambany fiahian'ny MAEP, no nahazoany io vokatra io tao anatin'ny zana-tetik'asa " Voly Vary Hatsaraina ". Velaran-tany 3 Ha no nanaovany voly vary niaraka tamin'ny tetik'asa ka ny masomboly vokarin'ny CMS na Centre Multiplicateur de Semences ao Mahabo no nampiasaina.

Ny vary " Tsipala " na " Vary vakiambiaty " izao miakatra izao izay mialoha ny " Varibe ".

Manana mpikambana miisa 20 ny groupement Fihavanana izay manao voly nohatsaraina amin'ny velaran-tany 18 Ha ny fitambarany.

Efa nahazo fitaovam-pamokarana sy fiofanana ary zezika miampy masomboly nohatsaraina mitentina 12.557.000 Ariary ny Groupement Fihavanana tamin'ny fanohanana nataon'io PSDR io.

Azo lazaina ho Sompitr'i Menabe ny Commune Ankilivalo izay manana velaran-tany voavoly vary 3.162 Ha, tondrahan'ny reniranon'i Dabara avy aty avaratra ary 2.176 Ha avy aty atsimo. Mbola misy 300 Ha ny velaran-tany azo volena raha voatondraka ara-dalàna.

Iray amin'ireo Commune ao amin'ny District Mahabo i Ankilivalo. Fa raha ny zavatra efa natao tao Mahabo no jerena dia betsaka no efa vita araka ny tatitra nataon'ny Tale nasionalin'ny Tetik'asa PSDR, Atoa RATSIMBARISON Rivo.
"Ny firaha-miasan'ny MAEP amin'ny alalan'ny DRDR Menabe sy ny tetik'asa PSDR ary ireo mpiara-miombon'antoka aminy toy ny VFTM, VONONA, SARAMA … ao an-toerana no hahatrarana ny ezaka amin'ny hampitomboina ny voka-bary amin'ity taona ity".hoy izy, ka hiandrandrana vokatra vary eo amin'ny 24.000 T eo avy ao an-toerana.

"Aoka tsy ho menatra ny asany ny tantsaha, fa asa mahavelona ny fambolem-bary" hoy ny Solom-bavam-bahoaka voafidy tao Mahabo Atoa ROSTAND André raha nandray ny fitenenana. "Ilaina fanamboarana ny lalana, hoy ihany izy mba ahafahan'ny tantsahan'i Mahabo mamoaka ny vokatra ho eny an-tsena."

Anisan'ireo faritra efatra (4) nofinidy hampiharana ny A.R.R (Approche Résultat Rapide) paik'ady aroson'ny MAEP ho fampitomboana haingana ny voka-bary ny Faritr'i Menabe.

Ny Faritr'i Vakinankaratra sy Bongolava ary Marovoay ny faritra 3 hafa ho fanombohana.
Vola mitentina 100 Tapitrisa Ariary no efa nomen'ny Fanjakana ny Faritr'i Menabe ho fampitomboana ny voka-bary ato amin'ny Faritra, hoy ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra, Atoa Bonaïd, izay azo adika, fa tsy manadino an'i Manabe ny fitondram-panjaka hoy ihany izy nandritra ny lahateniny.

Manome toky ny amin'ny hanamboarana ny lakandrano simba vokatry ny Rivo-doza Gafilo kosa ny Talen'ny Kabinetran'ny MAEP Atoa RABARISON Arsène izay nisolo tena ny Ministra, ka afaka roa volana fara-faha-tarany, hoy izy dia hanomboka ny asa.

Velaran-tany 593 Ha eo no tsy voavoly vary nohon'io fahasimban'ny "Canal Secondaire" io.

Ny fanolorana ny Santabary sy Fiaraha-misakafo tamin'ny fomba Malagasy no namaranana ny lanonana.

 

 

SOUS PROJET RIZICULTURE AMELIOREE
SUPERFICIE : 18 Ha

Objectifs : Augmentation de rendement 3T/Ha à 5T/Ha
R = 2T/Ha
Nombre de membres : 20

I - ASPECT FINANCIER

TOTAL INVESTISSEMENT
APPORT PSDR
APPORT BENEFICIAIRE
82.027.000 Fmg
63.785.000 Fmg
18.242.000 Fmg

II - ASPECT TECHNIQUE
UTILISATION DU PACKAGE TECHNIQUE

1. Utilisation des semences améliorée " 2787 " au CMS (Centre Multiplicateur de Semences) Mahabo
2. Utilisation rationnelle de fertilisation : 150 Kg/Ha de NPK et de 833Kg/Ha de compost.
3. Utilisation des produits des phytosanitaires en cas de maladie.
4. Utilisation des matériels appropriés

MATERIELS ET INTRANTS

NOMBRE

A- MATERIELS :

Sarcleuse

15

Charrue

05

Charrette

03

Boeufs

08

Herse

04

Pulvérisateur

06

Planeur

04

Rayonneur

03

Chaîne

10

Cadenas

09

B- INTRANTS

Semences améliorée

480 Kg

NPK

1.800 Kg

Urée

900 Kg

5) Renforcement des capacités techniques
Prégermination
Semis uniforme
Pépinière fumée
Repiquage des jeunes plants (17 jours)
Sarclage deux (2) fois
Compostage
6) Renforcement des capacités Socio-Organisationnelles :
Mise en fonction du groupement
Tenue des cahiers de charges et documents
Gestion simplifiée
Technique de négociation
Fond d'épargne et revolving
III - IMPACT SOCIAL
Sécurisation alimentaire
Création de vingt (20) emploie de riziculteurs
IV - IMPACT ECONOMIQUE
1) Amélioration de revenue des membres aux montant de " Deux millions de Francs Malagasy "
(2.000.000 Fmg) par saison et par membre en première année.