VAOVAON'NY FAMPANDROSOANA NY ENY AMBANIVOHITRA
  
FIARAHA-MIASA AMERIKANA SY MALAGASY EO AMIN'NY FAMBOLENA NY FIOMPIANA ARY NY JONO


Vokatry ny fandalovan'ny Minisitry ny Fambolen'ny Governemanta Amerikana teto amintsika tamin'ny volana Jolay dia tonga nitsidika tamin'ny fomba fanajana, ny Minisitrin'ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono Andriamantoa RANDRIARIMANANA Harison, tao amin'ny fiasany etsy Anosy, ny Solontenan'ny Departemantan'ny Fambolena Amerikana Ramatoa ELLEN TERPSTRA, niaraka tamin'ireo Delegasiona notarihiny.

Anisan'ny zava-dehibe nentin-dramatoa ELLEN TERPSTRA tamin'ity indray mitoraka ity ny fiarahany tamin'ireo mpandraharaha Amerikana amin'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono ho fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin'ny Firenena roa tonta ahafahan'ireto mpandraharaha Amerikana ireto hijery akaiky ny zavatra tokony hatao aty amintsika ary koa mba ahafahantsika manondrana vokatra na makany Amerika na any amin'ny Firenen-kafa miaraka amin'ny mpandraharaha Amerikana.

Eo ihany koa ny fanohizana ny fiaraha-miasan'ny Ministera roa tonta . Vonona ny Departemantan'ny Fambolena Amerikana hanohana ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono amin'ny fandefasana manam-pahaizana, manana traik'efa, eo amin'ny fikirakirana antontan'isa ary fijerena ireo manam-pahaizana manokana amin'ny fametrahana paik'ady samy hafa entina hampandrosoana an'i Madagasikara eo amin'ny lafiny Fambolena, indrindra indrindra eo amin'ny fanodinana ny vokatra azo avy amin'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono.

Joane RAKOTONDRAJAONA
Antananarivo faha 28 Oktobra 2005