1 : Ny atao hoe Tranoben'ny Tantsaha
Ny TRANOBEN'NY TANTSAHA fehezin'ny hitsivolana 93.021
sy ireo didim-panjakana 98.469 sy 2002-1198 dia ,
antokon-draharaham-panjakana miendrika fandraharahana
sahan'ny olon-tsotra sy fikambanana mizaka zo aman'andraikitra
fehezin'ny lalàna malagasy ary manao ho antom-pivelomana
ny asa fanao ho fampiroboroboana ny eny ambanivohitra
misy eto Madagasikara.
2 : Asa sahaniny
Ny TRANOBEN'NY TANTSAHA dia :
1°) Misolotena ny Tantsaha rehetra
eto Madagasikara amin'ny fifandraisana amin'ny mpitondra
Fanjakana
2°) Filan-kevi-mpanjakana mikasika ny tombontsoan'ny
tontolon'ny Famokarana Ambanivohitra
3°) Rafitra ahafahana mifanakalo hevitra sy mampifandray
ireo manao ho anton'asa ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra,
na teratany, na vahiny
4°) Mamolavola sy mandroso soso-kevitra mikasika
ny tontolo ambanivohitra
5°) Mandray anjara amin'ny famolavolana sy ny
fanatanterahana ary ny fanjohiana ireo drafi-pampandrosoana
eo anivon'ny firenena sy ny faritra
6°) Mikaroka ireo lalam-barotra sy manadihady
ary manao izay hahitana tombontsoa eo amin'ny tsenam-barotra
anatiny sy ivelany ireo vokatry ny Famokarana
7°) Manomana ny fandraisana anjara amin'ny Tsenabe,
fampirantiana sy fihetsiketsehana ara-toekarena eo
anivon'ny faritra, ny firenena na iraisam-pirenena.
8°) Manolo-kevitra amin'ny fiarovana ny vokatra
eto an-toerana
9°) Mandray anjara amin'ny fanangom-baovao ny
antonta torohay ary manapariaka azy
MIVERINA