VAOVAON'NY FAMPANDROSOANA NY ENY AMBANIVOHITRA
  

 


TAKELAKA TEKNIKA MOMBAMOMBA NY FAMOKARANA TONGOLO

Tetikasa : LALAM-PIHARIANA TONGOLO BE
Toerana : Faritra Analamanga -Tana Nord
Fivondronana : Anjozorobe, Manjakandriana, Ambohidratrimo
Kaomina : Ambatomanohina sy ny manodidina, Sadabe, ambohitrolomahitsy, Talata Volonondry
Isan'ny fikambanana : 42 fikambanana izay hivondronan'ny mpamboly tongolo eo amin'ny 500 isa
Anaran'ny UNION : AINA (Foibe Ambatomanohina - Lohavondrona)
Fampahalalana momba ny famokarana:
Toerana
Velarana (ha)
Taha-pamokarana
Kinendry (T/ha)
Vokatra Kinendry (T)

Komina Ambatomanohina sy ny manodidina

38
20
760

Komina Ambohitrolomahitsy/Talata

74
20
1.480

Komina Sadabe

69
20
1.382
TOTALY
181

 

3.620
Torolalana ara-teknika
Karazan-tongolo nambolena : "Menabe"
Fomba fambolena tongolo : amin'ny alalanny famafazana ny voa, na koa amin'ny alalan'ny famindrana zana-tongolo 40-50 andro (Fatro).
Fotoam-pambolena tongolo :
Famafazana
Fambolena
Fiotazana
Tongolo ririna (baiboho)
Jona
Aogositra
Novambra
Fatro (tanety)
Janoary
Marsa
Dingan'ny fambolena tongolo :
1) Ny famafazana amin'ny pépinière :
-
Manao lina tora-tady atao 1cm ary ny halaliny dia 1cm ihany koa. Mielanelana 5sm ny lina roa mifanaraka.
.- Ny habetsahan'ny masom-boly ilaina : 50g isaky ny ara. Asiana aloka eo ambonin'ny fambolena mandra-pitsimoky ny masom-boly
- Ezahina ny hahamandomando ny tany hatramin'ny fitsimohana mba tsy handevona ny masom-boly
- Afaka 10-15 andro aorian'ny famafazana ny fitsimohana
2) Ny fambolena :
-
Tsara raha asaina mialoha ny tany handraisana ny zana-tongolo.
- Fatran'ny zezika ampiasaina : zezi-pahitra/komposta : lOt/ha ary asiana NPK : 150Kg/ha avy eo
- Toetry ny zana-tongolo ambolena : matanjaka, salama tsara, manana habe 2mm farafahakeliny ary 10-15cm ny haavony
-
Fikarakarana : tapahina ny 1/3 n'ny raviny sy ny antsasaky ny fakany
-
Ny haben'ny fambolena : 30-40 voly isaky ny metatra izany hoe mielanelana 20sm X 15sm atao voly tora-tady
-
Fambolena : Ny zana-tongolo dia volena hatramin'ny foton'ny ravina ambany indrindra. Avangongo eo amin'ny vodiny ny tany, tondrahana ary asiana alokaloka
3) Fikarakarana
Ny fambolena tongolo manodidina ny faritra Ambatomanohina sy Sadabe dia niompana be dia be tamin'ny fampiasana ny
teknika IPM (Integrated Pest Management/Lutte Phytosanitaire Intégrée) na ny fiarovana sy ny fikarakarana ny voly
amin'ny alalan'ny fomba voajanahary.
Ny tekinika IPM dia manome laharam-pahamehana ny fampiasana ny akora voajanahary hita an-toerana toy ny consoude, taretra, tain'omby, savony gasy, sakay pilo,sns...ny famokarana ny aomposta nohatsaraina amin'ny fiadiana ny aretina sy ny biby kely ary ny fikarakarana ny vary. Tsy mandrara ny fampiasana ny fanafody na zezika simika izy fa raha toa tsy maintsy ampiasaina izany dia atao amin'ny fatra sy ny dozy manara-penitra ary tsy maintsy anaja ireo karazam-panafody nahazo alalana ara-dalana ho ampiasaina.
Ireo aretina sy biby manimba ny tongolo.
Aretina sy ny fisehony
Aretina sy ny fiadiana aminy
Fonte de semis : Zana-tongolo tsy tonga volana, na ahitana lo ary hita eny amin'ny toerana mando loatra - Tandremana ny hamandoana be loatra
- Atao lalina tsara ny asa-tany
- Fampiasana ny bénomyl (benlate) na ny
permanganate de potasse levonina anaty rano (lg/lOL/lOm) na fampiasana ny fanafody misy thirame amin'ny masom-boly
- Azo atao koa ny fandomana ny asomboly amin'ny ranomena
Mildiou : Fahamavoan'ny vodiny sy ny raviny izay feno bobongolo - Alona anaty ranon-tain'omby miaraka amin'ny ravina taretra sy lavenona ny zana-tongolo alohan'ny fanetsana
- Fampiasana fanafody fongicide toy ny dithane, pencozèbe, uprofix manaraka dozy ara-dalana
Thrips : Fahamainan'ny tendron'ny raviny izay mihamavo mialoha ny fahavokarany, fisian'ny bibikely madinika eny amin'ny ravina - Asaina aloha be, iray volana alohan'ny fambolena ny tany mba hamonoana ireo biby kely anaty tany.
- Avaina matetika ny tanimboly
- Fampiasana ravina kaonsoda afangaro amin'ny tamotamo sy ravina taretra ary savony gasy izay araraka eny amin'ny tanimboly isaky ny 15 andro
- Fampiasana fanafody insecticide toy ny Décis sy ny agrostick mandritry ny herinandro maromaro na diméthoate isaky ny 15 andro
Taham-pamokarana (T/ha) :
Tanjona (T/ha)
Vokatra azo (T/ha)
15-20
12
Lalam-barotra : Tsena eto an-toerana : Talata Volonondly; Tsena Andravoahangy
Mpiray ombon'antoka : ONG ODADE, CTHA, ADM