NY TANJONA TRATRARINA
Anisan'ny fitaovam-pamokaran'ny tantsaha ary toky
ny fahazoana vokatra tsara sy fampandrosoana na
lalam-barotra ho fampitomboana ny farim-piainan'ny
ny tambajotra fitarihan-drano sy fanariandrano.
Ny Minisisteran'ny Fambolena,
ny Fiompiana ary ny Jono sy ny mpiara-miombon'antoka
aminy ho fampandrosoana ny eny ambanivohitra dia
manentana indray ny Fikambanan'ny Mpampiasa Rano
(FMR) eran'ny Madagasikara mba samy handray ny andraikiny
tanteraka hiadiana amin'ny fahantrana.
NY ZAVA-MISY
- Velaran-tany itarihan-drano
manerana ny nosy : 1.090.000 ha
- Fikambanan'ny Mpampiasa Rano nankatoavin'ny MAEP
: 501
- Fikambanan'ny Mpampiasa Rano nanaovana famindram-pitantanana
: 84
Mizara roa ireo tambajotra
mila fikojakojana : Ny tambajotra itarihan-drano
mahaleotena (autonome) sy ny tambajotra itarihan-drano
iaraha-miombon'antoka (partenaire).
MISY KARAZANY FIRY NY ASA
FIKOJAKOJANA ?
Mizara roa izy ireo : Ny fikojakojana fanao isan-taona
ary ny Fikojakojana isaky ny taona maromaro
Misy amin'ireo asa ireo : Ny vitan'ny herin-tsandry
ary ny ilàna vola
IZA NO MANAO NY FIKOJAKOJANA
?
Ny Fikambanan'ny Mpampiasa
Rano no mandray an-tànana tanteraka ny fikojakojana
an'ireo tambajotraitarihan-drano mahaleotena.
Ny FMR ny Fanjakana, ny Vodrom-bahoakam-paritra,
ny Mpandraharaha miasa na mahazo tombotsoa amin'ny
fampiasana ny tambajotra no mifarimbona amin'ny
fikojakojana ny tambamajotra itarihan-drano iaraha-miombon'antoka
INONA AVY ARY IREO ASA
FIKOJAKOJANA REHETRA ILAINA MBA HAMPANDEHA TSARA
NY TAMBAJOTRA ?