VAOVAON'NY FAMPANDROSOANA NY ENY AMBANIVOHITRA
  

Dadavy
Ao anatin'ny Fankalazana ny Taona Iraisam-pirenena hoan'ny vary, dia tonga nijery ny fomba fambolem-bary eny Soavina, Fivondronana Antananarivo Atsimondrano ny Komitin'ny Fankalazana ny Taona Iraisam-pirenena ho an'ny vary eto amin'ny faritra Ivon'Imerina.

Raha ara-tantara dia namoka-bary indroa isan-taona iny faritr'i Soavina, Atsimondrano iny tamin'ny mbola " vary aloha ", nefa nohon'ny fahasimban'ny tontolo iainana sy ny fahanteran'ny toha-drano dia tsy ara-dalàna intsony ny fifehezan-drano, ka lasa nirona amin'ny vary fafy nohatsaraina na vary tsaika ny ankamaroan'ny mpamboly.

Vary Vokatra

Arakaraka ny toe-tany anefa ny teknika hampiasaina amin'ny fambolena vary, ka fambolem-bary amin'ny toerana saro-drano ity vary tsaika ity. Tsy miandry ranon'orana fa atao fafy raikitra. Asaina ny tany ny volana Oktobra ary avela hilona mba hiteraka hamandona. Mamafy vary na manatsaika ny volana Novambra, ary amin'izay fotoana izay dia voam-bary 5 na 6 isaka ny lavaka izay mielanelana 10 ka hatramin'ny 15sm no ataon'ny mpamboly.

Kendrena mba ho amin'ny fotoana hisian'ny orana no hanesorana vody vary matevina, ka iny nesorina , antsoina koa hoe : saratsaika iny no haketsa amin'ny tanimbary. mahazo rano sahaza ny vary.

Tsy mifidy karazam-bary ny fanaovana ny vary fafy nohatsaraina. Hita izany amin'ny fatran'ny vary rehefa tonga ny fitoam-piotazana, fa na atao vary fafy nohatsaraina na mamafy ketsa dia samy manome 1,5taonina isaka ny hektara ihany ny voka-bary miakatra isan-taona amin'ny faritr'I Soavina, ao anatin'ny Fivondronana Antananarivo Atsimondrano.

MAEP/DDP/SCID Daty: 22Aprily 2004
Rédacteur: Joane RAKOTONDRAJAONA


 

MILA HATSARAINA NY FITANTANANA SY FIKOJAKOJANA
IREO LEMAKA VOATONDRAKA ETO MADAGASIKARA

Natao ny 29 Avril 2004 tontolo andro tao amin'ny CNEAGR - Nanisana ny atrik'asa mikasika ny fanatsarana ny fitantanana sy fikojakojana ireo lemaka voatondraka eto Madagasikara ary nanasana ireo mpandray anjara maro mikasika ny lemaka voatondraka sy ny sahan-driaka (bassin versant) toy ny Ministera voakasika jinja vary malagasy amin'ireo sahan'asa ireo, ny mpamatsy ara-bola , ireo vondron'ny mpampiasa rano ( AUE ) , ireo vondrona tsy miankina na ONG sns … Izany no natao dia nohon'ny fahatsapan'ny Ministeran'ny Fambolena , Fiompiana ary ny Jono fa efa betsaka ny ezaka sy ny vola nampiasaina mikasika ny fitantanana sy ny fikojakojana ireo lemaka voatondraka nefa ny vokatra ara-bary dia mbola tsy mahatratra ny tanjona tian-kotratrarina.

Akehitriny dia notsinjaraina ho roa ireo lemaka voatondraka dia ny lemaka mahaleo tena na périmètre autonome izay tantanan'ny fikambanan'ny mpampiasa rano tanteraka ary ny lemaka hiaraha-mitantana périmètre partenaire ireo foto-drafitrasa andraikitry ny Fanjakana .

Ny tanjon'ny Atrik'asa dia ny famariparitana ireo politika sy paik'ady entina hanatsarana ny fitantanana sy fikojakojana ireo lemaka voatondraka sy ny saha-driaka isan-tsokajiny .

Ho voafaritra mazava amin'izany ny andraikitry ny mpandray anjara rehetra mikasika ny fitantanana sy fikojakojana ny lemaka voatondraka sy sahan-driaka. Hahasahana lafin-javatra maro ilaina amin'ny fanatsarana ny fitantanana sy fikojakojana ny foto-drafitrasa ireo politika sy paik'ady vaovao ireo toy ny lafiny ara-bola, ny ara- teknika sns…

Vaha olana maharitra mahatratra dimy ka hatrim'ny folo taona no ho tsijovina amin'izany ao anatin'ny fampiasana ny tahirim-bola hisahana ny fikojakojana ireo tambazotran'ny lemaka voatondraka na FERHA.

Date : 29 Avril 2004
Rédacteur : Jocelyn Razafindrasendra


MANANA ANJARA TOERANY NY FAMBOLENA VOATONDRAKA
ETO MADAGASIKARA:

1 tapitrisa hekitara no voly voatondraka eto amintsika izay ahitana mpamboly miisa 1.640.000 : izany hoe ny 40%'ny tany hamokarana no voatondra-drano. Ao anatin'io tarehi-marika etsy ambony io anefa dia miisa 6 ny lemaka voatondraka lehibe (Grand Périmètre Irrigué) izay velaran-tany mitotaly 1 hetsy hekitara. Eo amin'ny 500 eo ho eo ny isan'ny faritra madinika hitarihan-drano (Petit Périmètre irrigué) izay mahatratra 2 hetsy hekitara. Ny zava-misy anefa : tsy afaka mandray an-tanana tanteraka ny lany amin'ny fitantanana sy ny fikojakojana ny faritra madinika hitantanan-drano sy ny lemaka voatondraka lehibe ny Fikambanan'ny mpampiasa rano. Ny foto-drafitr'asa tsy azo afindra (non transferables) dia tsy mbola voafaritra mazava, ny tahiry ho enti-mikojakoja ireo lakan-drano hamokarana koa dia tsy mbola miasa satria tsy misy fidiram-bola azo antoka ary tsy voafaritra mazava ny tena andraikiny. Raha tsy misy fikojakojana anefa dia mihoatra ny 100 miliara iraimbikanja ny lany ho fanamboarana fotsiny, izay tsy hisy fiantraikany amin'ny tany voavoly sy ny vokatra. Tsy misy ny vahaolana mazava izany hatramin'izao.

Izay indrindra no nisian'ilay atrik'asa omaly teny amin'ny CNEAGR na Foibem-pirenena manofana ho amin'ny fambolena sy momba ny Foto-drafitr'asa eny Ambanivohitra, nokarakarain'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono tamin'ny alalan'ny TASK Force BV/BI izay iombonan'ireo ministera maromaro, banky Iraiasam-pirenena ary ireo mpiara miombon'antoka hafa voakasik'izany.

Mitondra fanazavana ny Sekretera Mpanatanteraka ao amin'ny TASK Force BV/PI, Andriamatoa ANDRIAMIFIDIMANANTSOA Maxime.
Bande Sonore ………………………1'59

MAEP/DDP/SCID Date : 30 Avril 2004
Rédacteur : RAKOTOARISOA Emile