Vita tao amin'ny " Maison
des Jeunes " Tsiroanomandidy ny 07 Jolay 2004
ny atrik'asa fandanjana ny tetik'asa andrana fanomezana
ronono any an-tsekoly. Tonga nanome voninahitra tao
Andriamatoa isany :
- Sekretera Jeneralin'ny MAEP sy MENRS
- Sous préfet, Ben'ny tanana ary ny
- Solontenan'ny FAO
Nanolotra sy nanentana ny fotoana ny Chef Cisco Tsiroanomandidy
Nisongadina
fa nahomby ny " Opération lait scolaire
" satria namoaka ireto seho ireto
1. teo amin'ny ara-tsosialy, dia mba nahazo ny anjarany
ireo sahirana ara-pivelomana
2. teo amin'ny ara-pahasalamana dia nahazo vitamine
ny mpianatra ka mavitrika, tsy dia tapaka mitombo
lanja
3. teo amin'ny ara-tsekoly, dia niha-nitombo taha-pahafahana
CEPE tamin'ity taona 2004 ity raha nampitahaina tamin'ny
taona lasa
4. teo amin'ny ara-ekonomika, miha miroborobo ny fitiavan'ny
tantsaha eo amin'ny famokarana ronono ka lasa mampiakatra
ny harikarenan'ny mpiompy
5. teo amin'ny ara-famoronan'asa , maha-tafatsangana
koperativa ny mpikambana ka maha forona asa toy ny
fanaovana yaourt , dibera, fromage ka mahavelona fianakaviana
maromaro toy ny koperativa TSIRO izay notohanan'i
FAO fanampiana teo am-pananganana azy.