VAOVAON'NY FAMPANDROSOANA NY ENY AMBANIVOHITRA
  
 

FANAOVAN-TSONIA ADY AMI'NY KOLIKOLY
 
 

NATAON'IREO TOMPON'ANDRAIKITRA REHETRA TETO AMIN'NY MAEP

 

ZAVA-BITA
Fanaovan'ireo Tompon'Andraikitra rehetra, eto amin'ny MAEP sonia ho fanekena fifarimbonan'asa araka ny Fifanarahana voalohany momba ny Paik'adim-pirenena hiadiana amin'ny kolikoly eto Madagasikara

FIANTRAIKANY
Fahatokisan'ny mpifarimbon'antoka (mpamokatra, mpamatsy vola, mpandraharaha ekonomika) ireo Tompon'andraikitra rehetra eto amin'ny MAEP.

NY METY HO TOHIN'NY ASA SY NY FANATSARANA
Fanohanana sy fanamorana, ireo ezaka enti-miady amin'ny kolikoly, avy amin'ireo Tompon'andraikitra rehetra eto amin'ny MAEP.

FANAMARIHANA
Ny Tompon'andraikitra rehetra eto amin'ny MAEP dia manamora, raha ilaina, ny asa iantsorohan'ny BIANCO (Bureau Indépendant Anti-Corruption).