VAOVAON'NY FAMPANDROSOANA NY ENY AMBANIVOHITRA
  
 
FEPETRA MIKASIKA NY FIFANINANANA ARA-PAMBOLENA VOLY VARY ALOHA TAONA 2004-2005
 
 

 

 
Ireto avy ny fepetra manodidina ny filatsahana ho mpifaninana amin'ny fifaninanana ara-pambolena, Voly Vary Aloha Taona 2004-2005


1. Ny fifaninanana Voly Vary Aloha Taona 2004-2005 dia fifaninanana tokana manerana ny Nosy. Ireo no antsoina hoe Loka nasionaly. Ny sokajy faharoa kosa dia omena ny telo voalohany isaky ny Faritra rehefa navahana ireo nahazo loka nationaly. Marihina fa ny faritra voalaza eto dia ireo faritra mifanandrify amin'ny fizaran-tanin'ny DRDR na ny foibe-paritry ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra.
2. Misokatra ho an'ny mpamboly rehetra tsy ankanavaka ny Fifaninanana : na mpamboly mandeha irery, na vondrona tantsaha, na Kaoperativa, na tantsaha mitambatra fotsiny noho ny fifaninanana, ka manana velaran-tanimbary mifanila tsy latsaky ny iray hekitara.
3. Ferana ho iray hekitara ny tanimbary ifaninanana fara fahakeliny, ka mety ho iray toerana izany na maromaro saingy tsy maintsy mifanila.
4. Na ny mpandray anjara na ny tanimbary ifaninanana dia samy mbola tsy nahazo loka tamin'ny fifaninanana teo aloha.
5. Ny tanimbary mahazo mihoatra na mitovy amin'ny 6 Taonina isaky ny hekitara ihany no alahatra amin'ny fotoam-pitsarana ny vokatra.
6. Ny mpifaninana dia manaiky fa hampiasa ny teknikam-pambolena nohatsaraina.
7. Ny daty farany hisokafan'ny fisoratana anarana dia ferana ho amin'ny ALAKAMISY 30 SEPTAMBRA 2004 amin'ny 12 ORA ATOANDRO, ho an'ny faritra rehetra, afa-tsy ho an'ny Faritr'i Mahajanga manokana izay ferana amin'ny TALATA 31 AOGOSITRA 2004 amin'ny 12 ORA ATOANDRO.
8. Ny fitsarana ny vokatra na ny fakana ireo santionam-bokatra dia hotanterahina anelanelan'ny 02 NOVAMBRA 2004 sy 21 JANOARY 2005 ho an'ny faritra rehetra, afa-tsy ny Faritr'i Mahajanga anelanelan'ny 13 SEPTAMBRA 2004 sy 30 OKTOBRA 2004.
9. Ny filatsahana ho mpifaninana dia raisina ao amin'ny Biraon'ny Kaominina sy ny Biraon'ny DRDR. Tsy manan-kery ny filatsahana ho mpifaninana atao ivelan'ireo toerana voafaritra ireo.
10. Marihina fa tompon'andraikitra tanteraka amin'ny fitantanana ny tanimbary na izay rehetra mety hitranga eo amin'ny tanimbary ny mpifaninana mandra-pahatongan'ny fotoana itsarana ny vokatra.

Antananarivo, faha 05 Aogositra 2004.