VOLAVOLAN-KEVITRA
VOKATRY NY ATRIKASA
. Atao ho fanatanterahana fandrindran'asa modely
ho amin'ny fitrandrahana ara-drariny sy maharitra
ny Faritra Mitsinjo (Zone pilote).
. Angatahana ny fanavaozana ny Didy Hitsivolana
(Ordonnance 60-133) mamaritra ny sata mifehy ny Fikambanana
(Association).
. Ny fijoroan 'ny Fikambana dia manamora ny fifanankalozankevitra
sy fitadiavana lalam-bola hamatsiana ny tetik'asa
izay volavolain'ny Fikambanana ary mba hisian'ny fifanaraha-maso
eo amin'ny samy mpitrandraka.
. Angatahana ny fanavaozana ny lalàna mifehy
ny fanjonoana an-dranomamy.
FANARATOANA:
-
Tsy azo atao intsony ny mpanarato misoratra amin 'ny
tenany manokana, fa tsymaintsy mambra ao amin 'ny
FIKAMBANANA
miforona ara-dalàna.
- Ahato ny fanomezan-dàlana vaovao hanarato
amin 'ny farihy Kinkony sy Kamihonjo.
- Atao ny fanisana ny fitaovam-pamokarana am-perin'asa
amin'izao fotoana izao.
- Manomboka amin'ny taona 2006 dia tsy maintsy 40
mm ny mason-karato ampiasaina.
FITONDRANA NY VOKATRY NY
MPANARATO :
- Amporisihina ny Fikambanan'ny mpanarato mba hanao
"Permis de Collecte" ahafahany mitondra
sy mivarotra ny vokatra vokariny tsy misy mpanelanelana.
MATSABORY METY RITRA SY KINGA:
- Atao ny fanisana sy fanadihadiana fototra mikasika
ny matsabory mety ritra sy kinga. Izany dia iarahan
'ny DPRH, SRPRH, DRDR, DDR, District, BirdLife ary
ny CSP.
- Ny mambra ao amin 'ny fikambanana mijoro ara-dalàna
ary mahazo fahazoan-dàlana ara-dalàna
no mahazo mitrandraka ny
matsabory mety ritra sy kinga.
- Tsy maintsy ametrahana fomba fitantanana manokana
ny fitrandrahana ny matsabory mety ritra sy kinga.
FE-POTOANA FIKANTONAN'NY
RANO :
- Haravona ny fe-potoana fidin'ny rano (fermeture
desambra ka hatramin'ny fevrie-martsa araky ny fangatahan
'ny mpanarato).
- Ho dinihana ara-teknika ny soso-kevitra naroson'ny
mpanarato momba ny fidin'ny rano.
ANTONTAN-TARATASY ILAINA
AMIN'NY FITONDRANA VOKATRA :
- Vonona ny Chef de Poste Vétérinaire
eto Mitsinjo hanamora ny fanomezana "Visa de
conformité" hitondran'ny Collecteur ny
vokatra.
Tsy maintsy manome ny dika mitovy any amin
'ny SRPRH Mahajanga ary tsy maintsy manao tatitra
isan-telovolana.
- Maimaimpoana ny fanomezana ny "Visa de conformité".
- Ny taratasy hanaovana "Visa de conformité"
dia halefan'ny Foibe-pitondran'ny Jono avy any Antananarivo
ary omena ny Chef de
Poste Vétérinaire eto Mitsinjo.
FAMARITANA NY FARITRA FANJONOANA
:
- Tsy maintsy faritana ny faritra atokana ho fanatodizan
'ny trondro ary hovolena Makamby (Nénuphar)
izany
FITRANDRAHANA VARILAVA:
- Tsy maintsy faritana ny faritra ahazoana manarato
Varilava.
- Tsy maintsy hatsaraina ny fikarakarana ny Varilava
mba iantohana ny kalitaon 'ny vokatra (tsy misy fasika,
tsy hitsahina rehefa
mamatratra ny entana anaty gony,...)
MOMBA NY FANARAHA-MASO NY
FANJONOANA ATAON'NY "CENTRE DE SURVEILLANCE DE
PECHE" :
-
Raha misy olona misava ny vokatra an-dranomamy dia
tokony manao fanamiana izy ary mampiseho karatra maha
mpiasan 'ny CSP azy izy sy ny " Ordre de mission
".
- Raha misy olona voasava dia tsy maintsy misy ny
" Rapport d'Inspection" hatao.
Raha misy tsy ara-dalàna dia atao
ny "Procès-Verbal d'Infraction" sy
"Procès- Verbal de saisie ".
- Raha misy famarotana ny vokatra " saisie "
dia tsy maintsy misy ny " Procès-Verbal
de Cession ".
- Ny mpiasan'ny CSP dia tsy manana zo haka vola amin'ireo
mpandika lalàna mifehy ny Jono.
- Raha misy ny fakana vola dia tsy maintsy misy ny
" reçu " ary misoratra ao anatiny
ny anaran' olona naka vola.
- Raha toa ka misy olona maka vola tsy manaraka ireo
fepetra voalaza ambony ireo dia azo toriana eny amin
'ny Fanjakana mahefa io olona io.
- Mba hanatsarana ny fitantanana dia afaka manantona
ny CSP ny rehetra.
MOMBA NY FIOMPIANA FILAO
ANATY " CAGES " :
- Anjaran'ny Foibe-pitondran'ny Jono no mijery ny
toerana ao anatin'ny matsabory tsara anaovana ny fiompina
filao anaty karakara (cages).
- Anjaran'ny Foibe-pitondran'ny Jono koa no manao
fiompiana anaty karakara "pilote" mialohan'ny
fanapariahana azy.
SAMIHAFA :
- Ho ezahana ny fitadiavana ny lalam-bola hanatanterahana
izany.
- Vinavinaina ny fametrahana fitaovam-pangatsiahana
manakaiky ny mpamokatra.
- Ny tetik'asa rehetra izay mikasika mivantana na
ankolaka ny sehatry ny jono dia tsy maintsy mahazo
fankatoavana avy amin 'ny
Sampandraharahana miandraikitra ny Jono.
- Ho jerena akaiky ny famoahana ny vokatra entin 'ny
Camion eny amin 'ny "Bac" rehefa Asabotsy.