VAOVAON'NY FAMPANDROSOANA NY ENY AMBANIVOHITRA
  

FAMOAHANA IREO MPIANATRA AVY AO AMIN'NY EASTA AMBOROVY MAHAJANGA
20 MIANADAHY AVY AMIN'NY LALAM-PIOFANANA JONO ARY
20 AVY AMIN'NY LALAM-PIOFANANA FIOMPIANA

Tontosa tamin'ireo faritra maro eto amin'ny Nosy izay misy ny sekoly fiofanana momba ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (EASTA) ny famoahana ireo andiana tanora avy amin'ny faritany 6. Sekoly eo ambany fiadidian'ny Minisiteran'ny Fambolena , ny Fiompiana ary ny Jono. Anisan'ireo sekoly namoaka ny andiany faha-8 izay mitondra ny anarana heo : FITARATRA ( Firaisan-kina , Tarigetra, Rafitra, Traikefa) ny sekoly EASTA Amborovy Mahajanga. Tanora miisa 40 mianadahy ka ny 20 avy ao amin'ny lalam-piofanana jono, ny 20 sisa nifidy ny lalam-piofanana fiompiana no notolorana ny mari-pahaizana DTA( Diplôme de Technicien Agricole) rehefa niofana nandritra ny 3 taona. Nisy koa ny fanolorana mari-boninahitra Chevalier de l'Ordre National tamin'ireo mpandraharaha 3 izay nahavita be tao amin'ny sekoly.
Solontenam-panjakana avy any amin'ny faritr'i Mahajanga nosoloan'ny Lefitry ny PDS tena, sivily sy miaramila , ny solotenan'ny Minisiteran'ny Fambolena , ny Fiompiana, ny Jono niaraka tamin'ny lehiben'ny sampan-draharaha miadidy ny fiofanana DAJARH ary ireo fianakavian'ny mpianatra nivoaka no nanome voninahitra ny lanonana..
Nomarihin'ireo rehetra izay nandray fitenenana fa tanora afaka hiatrika asa mivantana avy hatrany no ilain'ny firenena.Tombontsoa ho an'ny tanora nahazo fiofanana tahaka izao ny mampiasa ny fahaizana noratoviny tao amin'ny sekoly ka hanana saina tia karokaroka sy liam-pivoarana ary tia mamoron-javatra fa tsy hiandry fanampiana avy amin'ny hafa fotsiny.

MAEP-DDP
Service de la Communication,
De l'Information et de la Documentation
--------------
Date : 28 Décembre 2004
Rédacteur : Emile RAKOTOARISOA
-------------------------------------------------------------------------------------------------