Hapetraka ny Politikam-panjakana ho fampandrosoana ny Fotodrafitrasa sy Fampitaovana

Anisan’ny politikan’ny fanjakana ny hanatsara sy hanavao indray ny endriky ny firenena amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa ara-toe-karena sy ara-pamokarana. Fampandrosoana mifototra amin’ny fotodrafitrasa sy fampitaovana no ezahana hapetraka amin’izany. Izany indrindra no antony hametrahana ny politikam-panjakana mifandraika amin’izany mba entina mamaly ny filàna sy hamahana ny olana ara-tsosialy ary ara-toe-karena eny anivon’ny faritra.

Ny Ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy no hitarika ny fandraisana an-tanana io fiovàna io satria sambany moa i Madagasikara no hanana izany politikam-pirenenan’ny fotodrafitrasa sy Fampitaovana izany. Fitaovana iray entina hampisiana  ny fitantanana mahomby, fandrindràna ary fampandrosoana eo amin’izany sehatra izany moa ity politikam-pirenena  ity.

Amin’ny maha firafitra nasionaly azy, ity politika ity dia hanangona ireo antontan-kevitra rehetra efa misy eny amin’ny sehatra voatokana, nasionaly ary ara-paritra ary hihitatra amin’ny  fakan-kevitra eny amin’ny faritra rehetra izany.

Fiaraha-miasan’ny Ministera maro sy ireo mpamatsy vola ary mpiara-miombon’antoka

Ministera miisa 13 izay mikirakira ny Fotodrafitrasa ka mivondrona ho komity iray, ny sehatra tsy miankina, ny fiaraha-monim-pirenena, ny mpamatsy vola ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika moa no hiara-hitan-tsoroka sy hiara-hisalahy ho fanatanterahana sy ho fampandrosoana ny tetikasa. Ny fandraisina anjara mavitriky Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (MAEP) amin’ny alalan’ny programa PROSPERER, ny OIT ary PAGE/ GIZ dieny ety amin’ny dingana famolavolana dia manaporofo sahady ary iarahan’ny mpisehatra rehetra mahatsapa ny maha zava-dehibe io fiovàna sy fihavaozana tiana hapetraka io, ka ho hita mivaingana eny amin’ny faritra maro ny ezaka sy ny asa efa vita hatramin’izao.

Tafapetraka ny « Géoportail des infrastructures et équipements » 

Tiana  ny mampahafantatra fa efa andalam-pametrahana ny « géoportail des infrastructures et équipements » ny Ministera ankehitriny, izay fitaovana entina hanatsarana ny fandaminana, fomba iray afaka handrefesana ny fitantanana mangarahara eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa sy ny Fampitaovana.

Notanterahina ny Talata 03 Septambra 2019 tao amin’ny Ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy (MAEHTP) Anosy moa ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny OIT sy ny PAGE/ GIZ, ny MAEHTP sy ny MAEP, ho fanatanterahana izany tetikasa fametrahana politikam-panjakana izany.

—————————————————–

Madagascar : la Politique Nationale de Développement des Infrastructures et Equipements lancé

Le secteur infrastructure et équipement est l’un des secteurs à la fois stratégique et transversal dans le modèle de développement que l’Etat va lancer. La mise en place d’une politique publique de développement des infrastructures et équipements est donc primordiale. Elle répondra aux besoins socio-économiques des territoires.

Le Ministère de l’Aménagement du territoire, de l’Habitat et des Travaux Publics (MAHTP) pilotera cette initiative innovante dans la mesure où Madagascar, pour la première fois, aura sa politique Nationale des Infrastructures et équipement (PNDIE). Cet instrument de cadrage intersectoriel vise la bonne gouvernance, la coordination et le développement du secteur infrastructure et équipement. Le PNDIE capitalisera les acquis sectoriels, nationaux et régionaux et fera l’objet de larges consultations au niveau territorial.

Implication des différents  Ministères, des secteurs privés et partenaires techniques et financiers

La collaboration des 13 Ministères sectoriels clés constituant le comité d’orientation et d’élaboration, le secteur privé, la société civile, les bailleurs de fonds et tous les partenaires techniques et financiers est prévue en vue d’une synergie d’actions et de ressources. La participation active du MAEP à travers le programme PROSPERER, l’Organisation Internationale de Travail et le programme PAGE/ GIZ dès cette phase d’élaboration prouve l’importance accordé à cette réforme par tous les intervenants, qui reconnaissent l’immense opportunité que cela va avoir sur l’ancrage territorial des efforts et actions menées jusqu’à maintenant.

Géoportail des infrastructures et équipement mise en place

Notons que le géoportail des infrastructures et équipements est aussi en cours de gestation au sein du MAHTP pour soutenir ce mécanisme de coordination. Cet outil ne fera qu’améliorer la visibilité de l’Etat et la bonne gouvernance du secteur infrastructure et équipement à Madagascar.

La signature de convention entre le MAHTP et le MAEP, l’OIT et la PAGE/ GIZ, pour la mise en place de cette politique nationale, a eu lieu le mardi 04 septembre 2019 au bureau du MAHTP Anosy.

Date: 04/09/2019

Source: Communication MAEP

Retour

Comments are closed.