Visite de l’Associate Vice-Président (AVP) du FIDA dans la Région Analamanga.

Dans le cadre de sa mission à Madagascar, l’ « Associate Vice-Président » (AVP) du FIDA, Mr Donald Brown, et le Directeur Régional, Mme Sara Bhunu, ont effectué le 05 juin 2019, une visite des sites d’intervention des projets du MAEP appuyés par le FIDA dans la Région Analamanga.

 Il s’agit de l’atelier de sécherie de la Coopérative TSINJO, Filière Pok Pok ou Physallis du programme PROSPERER, situé dans le Fokontany d’ Andranovelona, ensuite de l’exploitation d’un jeune bénéficiaire du programme FORMAPROD, devenu entrepreneur rural en aviculture et tuteur d’apprentis dans le Fokontany  d’ Ampanotokana , et pour terminer la visite du Centre d’Appui et de Formation Professionnelle Agricole (CAFPA) d’ Andranovaky. Les visites ont été organisées afin de constater dans un premier temps, les différentes réalisations et d’envisager ainsi les différentes améliorations pour les années à venir dixit l’AVP du FIDA. Durant la visite, l’AVP du FIDA a rencontré et discuté avec les bénéficiaires des projets qui ont exposé leurs parcours et les éventuelles perspectives d’avenir. Il a exprimé ainsi de vive voix sa satisfaction par rapport à la mise en œuvre des différents projets. A titre de rappel cette délégation du FIDA conduite par L’ AVP a déjà effectué des visites des réalisations dans la région du sud de Madagascar les 3 et 4 juin 2019.

Nanantateraka fitsidiana  ny zava-bitan’ ireo tetikasan’ ny MAEP izay vatsian’ny  FIDA vola eto amin’ ny faritra  Analamanga ny filoha lefitrin’ ny FIDA Atoa Donald Brown sy ny Tale mparitra Rtoa Sara bhunu, ny alarobia 05 jiona 2015. Tanjona tamin’ny fitsidihana ny hijerena sy handrefesana ny zava-bita, ka hahafahana mitondra fanatsarana eo amin’ny fomba fiasan’ireo tetikasa, hoy ny Filoha lefitrin’ny FIDA.

Nandritra ireo fitsidihana dia nihaona sy  nifanakalo hevitra  tamin’ ireo mpisitraka ny tetikasa ny filoha lefitra ka voaresaka matetika tamin’ izany ny fanampiana sy tosika noentin’ ny tetikasa ary indrindra ny fikasan’ireo mpisitraka eo amin’ ny sehatra ny fandraharahana.

Araka izany nijery   ny « atelier de sècherie » an’ny kopérativa Tsinjo izay misehatra eo amin’ ny lalam-pihariana voanatsindrana, izay nahazo tohana tamin’ny tetikasa FANOITRA  na PROSPERER tao amin’ ny Fokontany Andranovelona. Nojerena ihany koa  ny toerana fiompina akoho fangalana nofo tamin’ny tanora nahazo fiofanana tamin’ ny alalan’ ny fandaharanasa FORMAPROD, izay lasa mpampiofana ihany koa ankehitriny. Nofaranana tany amin’ ny Ivotoeram-piofanana CAFPA Andranovaky izany fitsidiana teto Analamanga izany.

Marihana moa fa efa nisy ihany koa ny fidinana ifotony nataon’ireo delegasionina ireo, izay notarihan’ ny filoha lefitra, nijery ny zava-bitan’ireo tetikasa izay vatsian’ ny FIDA vola hatrany,  tany amin’ ny faritra Atsimo ny alatsinainy sy ny talata lasa teo.

Comments are closed.