.
« VOLY AVOTRA, EZAHO FA MANAVOTRA »
io no teny filamatra manomboka izao entina manamarika ny fanaovana
voly avotra eto amin’ ny firenena .
Velaran-tany 70.000 ha izay kendrena ahazoana voka-bary 150.000
Taonina ao amin’ ireo faritra 14 notiliana hanaovana vary
voly avotra amin’ ity taom-pamokarana 2008 ity.Nivohitra
izany rehetra izany nandritra ny fanokafana nasionaly ny fanaovana
voly avotra tao amin’ ny kaominina Mantaly, Distrikan’
Ambilobe, Faritra Diana ny 23 Jona 2008 lasa teo.
Velaran-tany 1 ha mahery no nampiharana ny voly vary maro anaka
na (ketsa valo andro) izay tsy fanao amin’ iny faitra iny.
Masomboly X 360 no novolena ary maharitra 120 andro ny tsingerim-piainany
eny an-tanimbary.
Maro ireo tantsaha liana nijery ity tekinikam-pambolena ity ary
tapa-kevitra ny hampiatra izany. Ireo « Vulgarisateur du
Développement Agricole (VDA) » miisa 21 miasa amin’
iny faritra iny no manohana ara-kevitra sy ara-tekinika ny tantsaha.
Tanjon’ ny fitondram-panjakana araka ny nanambaran’
ny Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono RAMANOELINA
Armand Panja azy ny fanentanana ny tantsaha amin’ ny fanaovana
voly avotra sy ny fanohanana azy ireo eo amin’ ny lafiny
masomboly ary ny zezika hitomboan’ ny vokatra mba hisorohana
ny olana ara-tsakafo izay efa mihantra maneran-tany tsy ahatratra
antsika eto Madagasikara.
Nitohy avy hatrany tamin’ ny fanadiovana ny lakandranon’
Ampanakana mirefy 5km sy 200m ny rehetra. Lakandrano manondraka
lemaka mahatratra 5000 ha. Olana amin’ ny fambolena amin’
iny Distrikan’Ambilobe iny ny toha-dranon’ i Mahavavy
izay efa antitra no tsy mahavitra ny asa fanondrahana ny lemaka
noho ireo fasika miandrona be loatra. Andaniam-bola 100 Tapitrisa
Ariary isan-taoana ny fikojakojana azy avy amin’ ny FERA
na Tahirim-bolam-panjakana ho fikojakojana ny tambajotram-pamokarana.
Ezaka hataon’ ny fanjakana tsy ho ela ny fanarenana ny toha-drano.
Fantatra ihany koa fa vola mitentina 700.tapitrisa Ariary no ho
entina hanarenana ireo foto-drafitr’asa amin’ iny
faritra Diana iny izay tantanan’ ny DRDR Diana. Nitombo
avo iraikambinifolo heny izany io vola io raha 60 tapitrisa Ariary
monja tamin’ ny taona 2007.
Tombony ho an’ ny Faritra Diana ny fahamaroan’ ny
fanampiana avy amin’ ireo tetik’asa toy ny ONN sy
ny PSDR amin’ ny fampiroboroboana ny famokarana. Mahakasika
indrindra ny tetik’asa PSDR araka ny fanambaran’ ny
Minisitry ny Fambolena azy dia hisy fanampim-bola avy amin’
ny Banky iraisam-pirenena hanohizana ity tetik’asa ity manomboka
ny taona 2009 ka hatramin’ ny 2011. Ho tratra tsy ho ela
ny fitomboan’ ny voka-bary eto amintsika.
Rédacteur :Emile
RAKOTOARISOA (SCID/DSI/MAEP)
Date : 25 Juin 2008