Koranam-pianakavian’ ny Minisiteran’ ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ny zoma 23 Janoary 2009 teo teny amin’ ny efitrano malalaky ny Espace Mon Goutier, andrefan’ Ambohijanahary Antananarivo.
Fifampiaraban’ ny Minisitra andaniny tamin’ ireo mpiara-miasa rehetra ao anatin’ ny Minisitera , sy ny foibem-pitondrana isanisany ary ireo tetik’asa fampandrosana eo ambany fiahian ‘ ny Minisitrera.
Fotoam-piravoravoana ny fifaliana nahitana soritra ny firahalahina eo amin’ ny samy mpiasa
Nisy ny kabary samihafa nilazana ny ezaka vitan’ ny Minisitera. Ny fotoana nanolorana mariboninahitra ho an’ireo mpiasa miisa 17 nahavita be teo amin’ ny sahan’ ny Minisitera teo ihany koa ny fanolorana marim-pakasitrahna ho an’ireo izay efa lasa nisotro ronono tamin’ ny taona 2008 iny.
Nandritra ny kabary nataon’ ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono Panja RAMANOELINA no nilazany ireo zava-bitan’ ny maro sy ny lesoka izay azo arenina tsara: toy ny fanajana ny fitsipi-pifehezana eo amin’ ny toeram-piasana anisan’izany ny lafiny serasera : tsy ampy ary tokony ho hatsaraina ny fifampitam-baovao ao anatin’ ny Minisitera ary ny fampahatsahivaa indray ireo fananmby miandry ity Minisitera
Rédaction : Elis ANDRIAMANJATO (SCID/DSI/MAEP)
Date : 23 Janoary 2009