Raha ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fiompiana dia mitondra anjara-biriky 15% amin’ny harikarem-pirenena izy io.Fidiram-bola ho an’ny 60% ny tokantrano Malagasy.Ny ankamaroan’ny vokatry ny fiompiana anefa mbola natokana ho sakafon’ny Malagasy.Mbola sarotra ny fiatrehana ny tsena any ivelany.Mbola tsy voafehy ireo aretim-biby sasany .Mbola tsy voafehy ny halatr’omby.Paikady entina hanatsarana ny fiompiana ny fitrandrahana ireo zotram-pamokarana misy.Fanomezan-danja ny zava-misy araka ny laharam-pahamehana eny anivon’ny Faritra.Fehezina ny fahasalaman’ny biby.Atao ny fanatsarana sy fitehirizana ny taranaka biby.Eo ny fampiroboroboana ny fiaraha-miombon’antoky ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana sy ny fanjakana.Fanafoanana ny halatr’omby ary ny fanatsarana ny sakafo omena ny biby.Ny valabe dia anisan’ireo fitaovana entina hanatanterahana ireo paikady ireo.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 5 desambra lasa teo ny VALABEN’IHOROMBE ,ao anatin’ny Faritra Ihorombe.Valabe voalohany niorina eto Madagasikara sady manara-penitra.Velaran-tany mahatratra 4.000ha no misy ny valabe.Kaominina maromaro ao anatin’ny Faritra no mahazo tombontsoa amin’ny fisiany .Miteti-bidy 246.000.000 Ariary no nanatanterahana ny foto-drafitrasa tao amin’ny valabe toy ny tsatoka vita amin’ny beton,ny tariby iarovana ny fivoahan’ny omby,ny tranon’ny zandary izay hitandro ny filaminana any antoerana,ny fisotroan-dranon’ny omby,ny lalantsara fanaovam-bakisiny …
Ankoatra izany dia velaran-tany mahatratra 60ha ao anatin’ny valabe no vita asa hambolena vilona ho sakafon’ireo omby. Ny orin’asa LAND MARK avy atsy amin’ny Nosy Maorisy no nanatanteraka izany.Aty ampiandohana natao hanatavezana ireo ombilahy ihany aloha ny valabe.Kendrena ho omby vositra no ompiana ao.
Efa mitsangana any an- toerana ny Fikambanan’ireo Mpiompy omby ao amin’ ny Valaben’Ihorombe (FIMPIVAI).Mahatratra 1.000 mahery ny omby efa tafiditra ao amin’ny valabe.Tanjona ny hampitomboana sy hanatsarana ny kalitao mamaly ny filan’ny tsena anatiny sy ivelany amin’ny famokarana hena.
Date: 11 Décembre 2008
Rédacteur : Emile RAKOTOARISOA
SCDI –DSI / MAEP