Tatitra Mikasika ny Tahiry Loharanon-Karena ho an'ny Zavamaniry sy ny Sakafo na ny
"Ressources Phytogénétiques pour l'Alimentation et l'Agriculture"

 

Inona no antony hanaovana ny tatitra

Ity tatitra tanterahina amin'ity  taona 2008 ity dia tatitra momba ny toetry ny harena  loharanon-taranaky ny zavamaniry ho amin’ny sakafo sy  ny fambolena eto Madagasikara na ilay atao amin'ny teny frantsay hoe «  Ressources phytogénétiques pour l’alimentation et l’agriculture , RPGAA izany »   Ity tatitra ity dia fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin'ny tatitra faharoa erantany momba ireo zavamaniry ireo  izay tanterahan’ny FAO, izay miankina betsaka amin'antotan-kevitra avy amin'ny tatitry ny firenena mpikambana tsirairay avy.
- jery todika sy tombana ny zava-nitranga teo amin’ireo  zavamaniry volena eny antanimboly  , ny zavamaniry fanao sakafo ho an’ny biby fiompy,  na ireo zava-maniry dia na koa  ireo maniry any anaty ala nandritra ny 13 taona lasa satria tamin'ny taona 1995 ny tatitra voalohany ho antsika Malagasy . 
Tsapa aloha fa  mbola maro ireo karazan-jazava-maniry  eto Madagasikara,
- Ohatra misongadina amin’izany ny fananantsika karazana café maro, ny variétés vary, ny karazana ovy ala….. izay mbola azo trandrahana tsara amin'ny fanatsarana ny voly ka ahafahana mampitombo ny vokatra miakatra, izay mifanindry andalana amin'ny  fanantanterahantsika ny fiovana maitso maharitra.
- na dia izany aza anefa dia misy ihany koa ireo loza samihafa mitatao amin’izy ireo   ary ny zava-misy dia ny tsy fahafantarantsika Malagasy akory ny hasarobidin’ny zavamaniry misy eto amintsika ka mahatonga fitrandrahana tsy arahina fikajiana.

  1. ny karazam-bary rojo-mena dia efa mihavitsy aty ampovoantany noho ny aretina pyriculariose
  2. Ny karazana  mangahazo  atao hoe pela-mainty ho an’ny faritra Anosy ohatra dia lany tamingana
  3. Ny café ihany koa dia nahitana fahavoazana goavana satria karazana café 5 no lany tamingana , maty tanteraka tao anatin’ny 20 taona.

Inona no tokony hatao ?

  1.  Miainga avy amin’ny zava-nisy voasoritra ao amin'ny tatitra no tokony handraisana  ny fepetra samihafa, na koa fanapahakevitra amin’ny asa izay tokony ho atao mba ahafahantsika mikajy sy mitrandraka ary  mampiasa azy amin’ny fomba maharitra ho an’ny  fiahiana ara-tsakafo sy ho lovain’ny taranaka malagasy any aoriana.

Anisan’ny fehin-kevitra nivoitra tamin’ny réunion de validation izay notanterahina ny alakamisy  10 aprily lasa teo ohatra ny tokony hananganana :

  1. Komity pirenena misahana manokana ity ressources phytogénétiques ity
  2. Ny fandrafetana ny plan d’action national hamaritana ny asa fohy ezaka sy ny lavitr’ezaka
  3. Ny famolavolana ireo didy aman-dalana na décret d’application ireo convention na traité nosianivin’ny Firenena Malagasy
  4. Ny fanarenana ireo toeram-pikarohana izay itoeran’ny collections antsika
  5. Ny fananganana banque de genes
  6. Sns…….

Marihina eto moa fa i Madagasikara dia nanao sonia ary nankatoa ny fifanekena  iraisampirenena mikasika ny harena loharanon-taranaky ny  zavamaniry hoan’ny ny sakafo sy ny fambolena ny taona 2006. Ny tanjona kendren’io fifanekena iraisam-pirenena io dia ny fikajiana sy ny fampiasana amin'ny fomba maharitra ny zavamaniry ho an’ny fambolena sy ny sakafo ary ny fizarana ara amin-drariny  ny tombotsoa rehetra azo avy amin’izany.  Antenaina fa ny tatitra dia anisan’ireo fitaovana  eo ampelatanantsika ahafahantsika manantanteraka izany.

Rédacteur : Louis RAKOTOARIMANANA