FANOMANANA NY FIHAONAMBE FARATAMPONY
MIKASIKA NY VOLY VARY MARO ANAKA (SRI)
Marsa 2009 eto Madagasikara

 


Natao tao amin'ny efitrano malalaky ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ny 02 Jolay 2008 ny famelabelarana ho an'ny mpanao gazety izay natrehan'ny Sekretera Jeneralin'ny MAP sy ny Mpanolotsaina ao amin'ny Fondation BETTER U, Andriamatoa JOHN Jodeliff momba ny fampiharana ny Voly Vary Maro Anaka (SRI) enti-miatrika ny tsy fahampin-tsakafo aty Afrika. Novelabelarin'ny Tale Jeneralin'ny Fambolena Mamy ANDRIANTSOA tamin'izany ny antony hanaovana Fihaonambe faratampony mikasika ny SRI (Sommet International sur le SRI), kendrena hatao eto Madagasikara ny volana Marsa-Aprily 2009 izany sy ny fanomanana teti-androm-pamokarana 2008-2009 (calendrier national cultural).

Notsahiviny tamin'izany fa teto Madagasikara no nahitan'i Mopera Henri de LAULANIE voalohany ny SRI tany amin'ny taona 1989-1990 tao Fianarantsoa niarahany niasa tamin'ny ONG TEFY SAINA.

Raha 10 fara-fahabeny ny zana-bary azo amin'ny fomba fambolena nentim-paharazana dia ahazoana hatramin'ny 256 kosa izany amin'ny fampiharana ny SRI.

Koa satria Madagasikara dia mbola malalaka, ary mbola manana velaran-tany hatramin'ny 8 Tapitrisa Hektara hambolena vary sy haninkotrana dia azo antoka ny hahatratrarana ny tanjon'ny Dingana Lehibe Maitso eto Madagasikara.

Tsahivina fa i Madagasikara no Firenena mpamokatra vary faharoa aorian'i Nigeria aty Afrika; dia heverina ho toy ny Firenena Aziatika izay nanana taha-pamokarana 1,4 T/Ha talohan'ny nanaovany ny Dingana Maitso Lehibe tany aminy ka nahatratrarany 4,12 T/Ha avy eo.

Ilaina ny manatsara ny vokatra amin'ny alalan'ny fampiharana ireo Andry 5 (masom-boly nohatsaraina, Fitaovam-pamokarana manara-penitra, Zezika, Fikojakojana ny tamba-jotra fitantanan-drano ary ny fampiharana ireo Teknika manara-penitra) .

Miara-miasa ny ankolafin-kery rehetra ary tsy hiraviravy tanana manoloana ny tsy fahampiana ara-tsakafo.
Vonona hanohana an'i Madagasikara eo amin'ny lafiny famokarana vary sy hanikotrana ny Fondation BETTER U nohon'ny fahavononan'i Madagasikara ara-politika niroso amin'ny Dingana Lehibe Maitso Maharitra.




Rédaction: Jocelyn RAZAFIDRASENDRA / SCDI/DSI/MAEP
Date: 02 Juillet 2008