VOLY VARY MARO ANAKA (SRI)

 


Hai-tao, fomba fambolem-bary mampitombo ny vokatra ny SRI
1. FOTOTRA IANKINANY
          - Ketsa zaza : roa ravina ( 6 - 15 andro)
          - Ketsa laha-tokana
          - Fiavana matetika (in-telo raha kely indrindra)
          - Fitantanan-drano ara-dàlana sy sahaza arakaraky ny filan'ny vary
2. AMBIOKA
Ny karazam-bary rehetra dia azo ampiasaina hanaovana S.R.I
Ny ambioka tsara no :
          - Manome ketsa matanjaka,
         - Miteraka zana-bary betsaka,
         - Manome vokatra tsara
Ny fampiasana ambioka nohatsaraina dia antoka iray manampy amin 'ny fampitomhoana ny voka-bary
Fatra ilaina

FATRA

VELARAN-TANINKETSA

VELARAN-TANIMBARY

6-8 kilao na 30-40 kapoaka safovavany

1 ara

1 hekitara

1 kapoaka safovavany

3m2

300m2 na 3ara

1/3 kapoaka

1m2

100m2 na 1ara

3. ZEZIKA
Tsy maintsy hitondrana ny sakafo sahaza azy ny vary mba hahafahany maniry tsara. Endrika
maromaro no hitondrana izany sakafo izany :

KARAZANY

FATRA

FOTOANA HITONDRANA AZY

FANAMARIHANA

Zezi-pahitra na zezi-pako masaka tsara (T/Ha)

15-20

Alohan’ny hiasana ny tany

Mitondra sakafo no sady manatsara ny firafitry ny nofon-tany, noho izany tokony entina foana

Zezika mineraly: Raha hita fa miha-kotra ny tany dia tokony mitondra zezika mineraly

N-P-K (Kg/Ha)

200-300

Alohan’ny fanetsana

 

Na D.A.P (Kg/Ha)

200-300

Alohan’ny fanetsana

 

Urée (Kg/Ha)

100

Alohan’ny fisakelehana
Alohan’ny misondro-dreny

Atao in-droa mitondra

Fertil’S (Kg/Ha)

20

Miaraka amin’ny Urée

Raha ilaina

4. FITANTANAN-DRANO :
          - omena ny vary ny rano sahaza mba haniriany tsara .
          - Foto- drafitr'asa ara-dalàna sy voakojakoja tsara no ahafahana mitantana tsara ny rano: mampiditra na mamoaka fana arak'izay ilaina.
Ny Filàn'ny vary

FOTOANA

AHAVON’NY RANO

ANTONY


Fanetsana  sy ny 3-4 andro aorian’ny fanetsana

Fotaka marihitra

1 hekitara

Fisakelehana na fivoahan’ny zana-bary

3-2 sm
Misy fotoana, avela ho maina mitriatra ny tanimbary

Manafaingana ny fiforonan’ny zana-bary
Mitondra rivotra ho an’ny tany
Mampitombo ny faka
Manamora ny fahazoana ny sakafo
Mampatanjaka ny taho

Fiterahana sy mandritry  ny fiforonan’ny voa

3-4sm

Miantoka ny fiakaran’ny sakafo any amin’ny voa
Mampitovy tantana ny fahafenoan’ny voa

Fahamatoana

Tsy mampiditra rano intsony – avela ho maina

Manafaingana sy mampitovy tantana ny fahamasahan’ny voa

5. FITAOVAM-PAMOKARANA
Ankoatry ny fitaovana entina miasa sy mamotika ny tany dia misy ny fitaovam-pamokarana  tokony hananana mba hahamora sy hahafaingana ny fanatanterahana ny asa toy ny :
          - Planeuse : hanarenana ny fotaka mba hampitovy tantana ny tanimbary
          - Rayonneur: hamaritana ny toerana  asiana ny ketsa raha tsy hampiasa tady
          - milina fiavana : Asa vita tsara syara-potoana

6. TEKNIKAM-PAMBOLENA
6.1. Taniketsa :
          - Ny ketsa vohitra no fomba tsara indrindra ahazoana zana-ketsa tanora sy matanjaka,
          - Azo atao eny an-tanin'anana, an-jaridaina, na eny an-tanety.

Fifidianana ny Taniketsa
          - Tany lonaka , tsy azon’ny akoho amam-borona,
          - Toerana akaiky rano mba hahamora ny fanondrahana

Fanomanana ny taniketsa
Aorian'ny fiasana ny tany sy famotehana ny bainga dia amboarina ny planche

ASA ATAO

ANTONY

- 1metatra ny sakany, ny halavany miova araka ny hamaroan’ny ketsa vokarina

- Mba hahamora ny fikarakarana (fanondrahana,…)

Fisakelehana na fivoahan’ny zana-bary

 

Arovana tsara ary asiana zezika masaka tsara eo amin’ny 10 sm eo amboniny

-Mafana ny zezika ka manafaingana ny fanirin’ny vary
- Mitana ny hamandoana ny zezika (manamaivana ny asa fanondrahana )
- Mora sorohina ny ketsa, mihintsana ho  azy ny zezika rehefa afindra

Famafazana

  • Tondrahana tsara ny taniketsa alohan’ny hamafazana
  • Atao manify sy mitovy tantana tsar any famafazana ny ambioka vaky vazana mba:
                     - Tsy hifamatopatotra ny fakam-bary
                     - Hahazo hazavana tsara ny zana-ketsa ka tsy hifaninana hihalava fa kosa fohifohy nefa matanjaka
  • Saronana zezika voasivana manify

Fikojakojana
          - Tondrahana araka ny filana (met y ho maraina sy hariva na isaky ny roa andro - tsy avela ho maina ny zezika)
          - 6 andro ,ka hatramin -ny 15 andro raha be indrindra no fotoana fijanonany eny an-taniketsa

6.2. Tanimbary
6.2. 1. Fikarakarana
Iray volana alohan’ny fanetsana fara-fahakeliny:
          - Araraka ny zezi-pahitra
          - Asaina ny tanimbary

Alohan’ny fanetsana
Ny fikarakarana ny tany dia atomboka miaraka amin'ny fikarakarana ny masomboly
          - Andro voalohany : ampidiran-drano ny tanimbary
          - Andro faharoa : Hosena ary avela hitsika ny rano
          - Andro fahatelo : Fakoina ny ahitra tsy lo

Averina in-droa na in-telo ireo asa ireo ka amin'ny farany dia fotaka marihitra madio, tsy misy ahitra intsony no azo;
Asiana tatatra manodidina mba hahamora ny fampidirana sy ny famoahana ny rano ( eo amin'ny 30 - 40 sm eo ho eo ny halaliny)
Hamarinina tsara ny tanimbary mba tsy hisy avo sy iva;

6.2.2. Fanetsana

Fikarakarana ny ketsa
         - Sorohina ny ketsa dia entina eny an-tanimbary (30 minitra na ara iray alohan'ny hanetsana raha be indrindra)
         - Raha toa ka tsy mampiasa tady dia faritana amin'ny rayonneur ny toerana hipetrahan'ny ketsa,
         -   Raisina tsirairay ny ketsa,
         - Kendrena mba tsy hisy tapaka ny fakany ary tsy hihintsana ny voam-bary sy ny bainga kely manaraka azy,
         - Tsy sasana na akifika ny ketsa, ilay bainga kely mantsy no miaro azy tsy hiato amin'ny faniriny.
Fanetsana
         - Atao  manara-tsipika mba hahamora ny fikojakojana, mielanelana 25 sm × 25 sm ka hatramin’ny 40 sm × 40 sm arakaraky ny faritra (toetr’andro) sy ny fahalonaky ny tany
         - Aketsa  tsirairay (laha-tokana)
         - Asosa sy tsindriana moramora amin’ny ankihibe ao anaty fotaka mba hilentika eo amin’ny 1 sm eo ho eon y fakany ary kendrena mba tsy hiforitra.

6.2.3. Fikojakojana
Fitantana-drano
         - Tsy ampidiran-drano raha tsy 2 na 4 andro aorian'ny fanetsana (arakaraky ny toe-tany).
         - Amin'ny alina no ampidirana ny rano araka ny ahavony ilaina ary avela hitsika amin'ny antoandro.
            Hahazo hafanana koa ny tanimbary amin'izay.
         - Raha diso be loatra ny rano amin'ny fotoan'ny orana dia avoaka amin'ny alalan'ireo tatatra  manodidina
           any amin'ny tatatra fanarian-drano.
         - Raha azo atao dia kendrena mba tsy hisy ny fanarian-drano be loatra satria :
                      * ny rano dia sarobidy ka tokony tsy ho verivery foana,
                      * ny zezika entina izay levona ao anaty rano dia ho very miaraka amin'ny rano avoaka ny tanimbary
fehiny : ny rano sahaza ihany no tokony ampidirina

Fiavana
        - 7 na 10 andro aorian'ny fanetsana no atao ny fiavana voalohany, tsy avela hipi-bololona ny ahitra fa tonga dia kosehina,
        - Averina in-telo na in'efatra izany ary mielanelana 7 na 10 andro
Roa loha no zava-kendrena amin'ny fiavana :
        - Famonoana ny ahi-dratsy mba hisorohana ny fifaninanana ara-tsakafo amin'ny vary,
        - Fanomezana rivotra ny tany sy ny fakam-bary ka hampiroborobo azy.
Fitondrana ny zezika fanampiny
(Jereo 3.Zezika)

Fitsaboana raha misy aretina na bibikely
Tokony atao rehefa ilaina

Fiotazana
Atao ara-potoana (tsy aloha loatra, tsy tara loatra) mba tsy hisian'ny fahaverezana be loatra

6.3. Fikarakarana aorian'ny fiotazana
Kendrena mba ho faran'izay kely ny very sy ny fahasimbana :
        - Hatsaraina ny fomba fivelezam-bary : famoloana madio tsara na mampiasa lafika (gaine plastique)
        - Vokatra voadio sy maina ara-dalàna tsara no tahirizina
        - Toerana maina tsara ivezivezen'ny rivotra sy voaaro amin'ny bibikely sy voalavo no hitahirizana ny vokatra

 

FT SRI - DirAgri - Septembre 2007

 

 


FOTOTRA IANKINAN'NY FIOVANA LEHIBE MAINTSO


 
TANJONA
Fampitombona avo TELO heny ny vokatra ara-tsakafo ato anatin’ny DIMY TAONA
IREO FOTOTRA DIMY
MASOMBOLY NOHATSARAINA
Masomboly nohatsaraina sy manara-penitra
Ny karazam-bary maniry eo an-toerana dia mety daholo
Fatra:
 6 – 8 kg na 30 – 40 kapoaka safovavany
taninketsa 1 ara è tanimbary 1 ha
1/3 kapoaka è taninketsa 1 m2 è tanimbary 1 ara
Fampitsimohana:
Alona anaty rano mandritra ny 1 andro
Atao anaty gony paka
Ahotrika amin’ny toerana mafana (lavaka nafanaina, an-dakozia akaiky fata     na, …) mandritra ny 24 ora na 48 ora arakaraky ny toetrandro (mafana na mangatsiaka)
  1. 2 – ZEZIKA VOAFATRA
  2. Taninketsa
    1. Zezi-pahitra masaka tsara eo amin’ny 10 sm ny hatevina no aravona eo amin’ny taniketsa
  3. Tanimbary
    1. Zezi-pahitra: 15-20 t /ha, aparitaka alohan’ny hiasana ny tanimbary
    2. NPK 11-22-16: 300 kg/ha entina alohan’ny fanetsana
    3.  Urée: 100 kg/ha atao indroa mitondra, alohan’ny fisakelehana sy ny misondro-dreny
  4. 3 – FITANTANAN-DRANO   ARA-
         DALANA
  5. Tambazotra voakojakoja;
  6. Rano izay ilaina
  7. Taniketsa:
    1. Ketsa vohitra no fomba tsara indrindra ahazoana ketsa tanora sy matanjaka
    2. Tondrahana araka ny filàna (tsy avela ho maina ny zezika hanirian’ny ketsa)
  8. Tanimbary
  9. Fanetsana sy mandra-pahavelon’ny ketsa
  10. Fisakelehana
  11. Fiterahana sy fiforonan’ny voa
  12. Fahamatoana (15 andro alohan’ny fijinjana)
  13. Fotaka marihitra
  14. 1 – 2 sm no ahavon’ny rano; misy fotoana avela ho maina hitriatra ny tanimbary
  15. 3 – 4 sm
  16. Tsy mampiditra rano intsony; avela ho maina
  17. 4- FITAOVAM-PAMOKARANA
        MAODERINA
  18. Fitaovana fiasana sy fikarakarana ahazoana tanimbary voajary tsara afaka mandray ny ketsa zaza: fotaka marihitra, marina tsara
    1. Angadin’omby, ragiragy
    2. Motoculteur (KUBOTA, …)
    3. Tracteur
    4. Niveleuse, planeuse (fandravonana)
    5. Rayonneur (fanoritana)
  19.  Fitaovana ahafahana manao ny asa fikojakojana tsara sy ara-potoana
  20. fiavana (sarcleuse)
  21. fanaparitahana fanafody vovony (poudreuse)
  22. fanaparitahana fanafody ranony (pulvérisateur)
  23.  Fitaovana entina mioty sy mikarakara ny vokatra: tsy dia be loatra ny very, ary vokatra madio sy maina tsara no tehirizina
  24. Moissonneuse
  25. Batteuse
  26. Moissonneuse-batteuse
  27. Labasy na gaine plastique
  28. Tarare (fikororohana)
  29. Gony
  30. 5 – TEKNIKAM-PAMBOLENA     MANARA-PENITRA
  31. Fototra iankinana :
    1. Ketsa zaza: roa ravina (6 – 15 andro)
    2. Ketsa laha-tokana
    3. Fiavana matetika (in-3 raha kely indrindra)
    4. Fitantanan-drano ara-dalàna
    5. Taniketsa
  32. Ketsa vohitra no fomba tsara indrindra ahazoana ketsa tanora sy matanjaka:
    1. Azo atao eny @tanin’anana, zaridaina, …
    2. Soritana ny torimboly: 1m ny sakany, araka izay ilaina ny lavany
    3. Asiana zezika masaka tsara (5 - 6 sm ny hateviny)
    4. Tondrahana tsara
    5. afafy ny ambioka vaky maso: atao manify sy mitovy tantana tsara;
  33. saronana zezika voasivana manify;
  34. tondrahana araka izay filana (tsy avela ho maina ny zezika);
  35. sorohina rehefa afindra
  36.  Tanimbary
  37. Fikarakarana ny tanimbary:

                Ny asa atao dia kendrena mba ahazoana fotaka marihitra:

    1. Ampidirana rano ny tany efa voaasa;
    2. Hosena mba halemy tsara;
    3. Fakoina ny ahitra tsy lo.

è averina in-telo ireo asa ireo

    1.  Fanetsana:
    • Entina eny an-tanimbary avy hatrany ny ketsa voasoroka;
    • Soritana ny toerana asiana ny ketsa; raisina tsirairay ny ketsa, kendrena mba tsy ho tapaka ny fakany, tsy hihintsana ny voam-bary sy ny bainga kely manaraka azy;
    • Tsy sasana na akifika ny ketsa;
    • Atao manara-tsipika 25 x 25 smè40 x 40 sm
    •  Fikojakojana:
    • Tantanana tsara araka ny filana ny rano;
    • Fiavàna: in-3 na in-4 mielanelana 7 na 10 andro;
    • Fitsaboana rahamisy aretina na bibikely.
    •  Fijinjana :
    • 15 andro alohan’ny fijinjana: tsy mampiditra rano intsony, avela ho maina
    • Jinjaina ny vary rehefa manopy mavo ny ¾ ny salohy.