Omena vahana ny sehatry ny Fanatanjahan-tena manomboka izao eo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ka ny Lalao baolina kitra ho an’olona fito na « Foot à 7 » sy ny Basket no hanombohana izany.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ary, teny amin’ny Kianja filalaovan’ny PSDR Anosimasina, ny lanonam-panokafana ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena eo anivon’io Ministera io izay nampitondraina ny anarana « TOURNOI REVOLUTION VERTE DURABLE 2008 ».
Ho fanamafisana ny ezaka izay atao ho firosoana amin’ny Fiovana Maintso Lehibe Maharitra mantsy dia ilaina ny hananan’ireo Mpiasa sy Tompon’andraikitra vatana salama ao anatin’ny Fifankatiavana sy Firaisan-kina hisian’ny Fahombiazana ho amin’ny Fampandrosoana . Izay no tanjona hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono RAMANOELINA Panja Armand.
Efa hatry ny ela no nanana Ekipa mpilalao Baolina Kitra ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ary efa nandray anjara mavitrika tamin’ny Fifaninanana teo anivon’ny ASOIMIE (Association Sportive Omnisport Inter-Ministeriel et Institutions). Amin’izao fotoana izao dia Ekipa “Foot à 7” miisa 13 no efa tafajoro miampy Ekipa Basket 2. Hoezahina ny hanapariahana izany any amin’ny faritra hoy ny Mpikarakara sady mpanazatra Andriamatoa Andriamanantena Daniel.
Marihina fa efa tafapetraka ny fandaharam-potoana rehetra amin’ny lalao fifanitsanana ka amin’ny faha 11 oktobra 2008 no hanaovana ny lalao Famaranana.
Daty: 15 Septambra 2008
Rédaction: Fiononana RANAIVOSON