VOLY OVY LEVENAMBOLA

 

" VOLY OVY , LEVENAMBOLA " io no loha-hevitra ho voizina mandritra ity taona 2008 ity , taona natokana ho taona iraisam-pirenena ho an'ny ovy araka ny tapakin' ny FAO (Sampandraharahan' ny Firenena Mikambana misahana ny fambolena sy ny sakafo) tamin' ny fivoriambe izay nataony ny 22 Decembre 2005. Anisan' ny hankalaza izany isika eto Madagasikara nanomboka ny 09 Avril 2008.
Firenena anisan' ny mpamokatra ovy I Madagasikara.Voly faha-efatra ny ovy maneran-tany, faha-dimy izy eto Madagasikara aorian'ny vary, mangahazo, vomanga ary katsaka. Ny voly ovy dia sady miantoka ny ady amin' ny tsy fahampian-tsakafo no mampidi-bola ho an' ny tantsaha sy ny firenena.
15 ka hatramin' ny 20 taonina isan' ny hekitara na mihoatra aza ny mety ho vokatra ovy arakaraky ny karazany sy ny faritra misy azy. 12 ireo karazan'ovy eto Madagasikara ary efa misy ny fikarohana atao amin' izao fotoana izao eo anivon' ny FIFAMANOR ho fampitomboana sy hanatsarana ireo karazan'ovy ireo mba hamaly ny filan' ny tsena . Hatramin' izao aloha dia mbola ireo Nosy manodidina antsika toy ny Nosy Maorisy, La Réunion, Comores no hanondranana ny ovy. Azo lazaina fa vao manomboka ihany ny fanondranan-tsika ny ovy saingy efa mitombo avo roa heny isan-taona izany hatramin' ny taona 2004. Raha 220.000 T no vokatra ovy tamin' ny taona 2005 dia saika lany tamin' ny tsena anatiny ny ampahany betsaka.
Tamin' ny taona 2004 dia 40 taonina ny vokatra ovy raha 160 taonina tamin' ny 2006 no naondrana tamin'ireo firenena manodidina.
Anisan' ny olana amin' ny fanondranana ovy ny tsy fananan-tsika foto-drafitrasa mifandraika amin' izany toy ny efitra mangatsiaka "Chambre froide '' eny amin' ny seranan-tsambo na seranam-piaramanidina.
Mbola malalaka ny tsena hoan' ny ovy na ny tsena anatiny io na ivelany. Ny Nosy Maorisy ohatra dia manana filana maherin' ny 8000 taonina . Ho fanohizana ny fankalazana ity taona iraisam-pirenena ho an' ny Ovy ity dia mbola hisy ny hetsika ho atao any amin' ny faritry Vakinakaratra tsy ho ela.

Date: 9 Avril 2008
Rédacteur: Emile RAKOTOARISOA
                      Fiononana Ranaivoson