Ny FVR dia aretin’ny omby, osy, ondry ateraky ny moka izay mety mifindra amin’ny olona.
Hetsika
Mba ho fampafantarana ny mpiompy ireo fepetra tokony ho raisina manoloana ny fitrangan’ny aretina FVR, dia ireto avy ny zavatra efa nataon’ny Direction Générale de l’Elevage (DGE) :
Fanaparitahana eran’ny Faritra 22, Distrika ary Kaominina ireo afisy maro isan-karazany : izay mamelabelatra :
Ireo toro-marika sy ireo fepetra rehetra tokony harahina eo ampikirakirana ireo biby ahiahiana fa tsy salama ka voafaritra ao amin’ireo afisy ireo ny fepetra tokony ho raisin’ny mpikarakira hena , ny mpamono biby sy ireo mpanampy azy eny amin’ny abatoara ;
Ho fampafantarana ny fitrangan’ny aretina FVR an’ny mpiompy;
Misy koa ireo boky taridalana natokana ho an’ny teknisiana mikasika ny FVR ;
Misy koa ny fanentanana amin’ny alalan’ny radio nasionaly nanomboka tamin’ny volana desambra 08 ;
Tao koa ny famatsiana ara-pitaovam-piarovana an’ireo mpamono sy mpikirakira hena eny anivon’ny abatoara sasatsany
Vokatra
Raha maro ny omby matin’ny FVR tamin’ny taona 2008, ary nanahirana ny fifehezana azy tamin’izany fotoana izany, dia marihina fa tsy dia nananosarotra loatra ny fifehezana ny aretina tamin’ity taona ity noho ireo fampafantarana sy ny fanentanana ny mpiompy lasa mialohan’ ny fitrangan’ny aretina .
Ny zavatra tsapa dia mandray andraikitra sy miara-miasa tsy amim-pisalasalana
amin’ireo teknisian’ny fiompiana ireo mpiompy amin’ny fandefasana ireo tatitra na tranga-javatra miseho eny anivon’ny tontolo ambanivohitra
Hita fa mihena dia mihena ny taham-pahafatesan’ny biby fiompy tamin’ity taona ity .
Hafatra

Koa amporosihina ny tsirairay mba hanaraka antsakany sy andavany ireo fepetra sy toromarika rehetra voatanisa ao anatin’ireny fanentanana rehetra ireny na antsoratra na ambava.
REDACTION : Emile RAKOTOARISOA SCDI/DSI/MAEP
Jocelyn RAZAFINDRASENDRA SCDI/DSI/MAEP
DATE: 27 Février 2009