Kabarin’Andriamatoa MINISTRY NY FAMBOLENA
SY NY FIOMPIANA ARY NY JONO
Tompokolahy sy tompokovavy
Eto ampanombohana dia mamela ahy hianareo hisaotra an’Andriamanitra noho ny fahasoavany ka hahazoantsika manatanteraka izao lanonana androany izao. Ka ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny Dera sy ny Laza ary ny Voninahitra.
Miarahaba antsika rehetra, salama tompokolahy, finaritra tompokovavy. Miarahaba antsika rehetra azo lazaina nahatratra ny krismasy, anton’izao lanonana ataontsika izao.
Ny andro iray ihaonana moa toa zato koa mamela ahy hianareo hanararaotra hampahatsiahy antsika ny amin’ny antom-pisiana na ny iraka miandry antsika mba haha-vonona antsika amin’ny tokony ho tanterahintsika amin’ny taona ho avy. Andraikitry ny Ministerantsika ny mamolavola sy manatanteraka ary mandrindra ny politikan’ny fanjakana Malagasy momba nyfambolena, ny fiompiana sy ny jono ary ny fikarohana momba ny famokarana (FOFIFA-Fev.08). Izany rehetra izany dia hoan’ny fampandrosoana haingana sy maharitra. Amin’ny fanatanterahana ny MAP dia fanamby lehibe ny hanatanterahana ny fiovana maitso lehibe maharitra ka hampitomboina ho avo roa heny ny vokatra sakafo ny taona 2009; 7.000.000 tonnes ny tanjona amin’ny famokaram-bary 2009, koa hanambatra ny hery isika mba hahatrarana izany indrindra. Misaotra an’Andriamanitra isika fa nahomby ny ezaka nataontsika tamin’ny fanatanterahana fambolem-bary amin’ny fotoanan’ny voly avotra tamin’ity taona ity. Ka tsy mbola nampiakatra firy ny vidim-bary eny antsena na dia efa mandalo vanimpotoanan’ny maitso ahitra aza isika amin’izao fotoana izao. Ny fitohizan’izany ezaka efa notanteraantsika izany no imasoantsika amin’ny ho avy rehetra.
Ny fahombiazantsika amin’izany anefa dia mitaky fampiharana fomba fiasa vaovao mifantoka amin’ny fahazoam-bokatra.
Ao anatin’ny fanajana feno ny fitsipipifehezana no hifarimbona sy hahazoana vokatra ary hahombiazana.
Ny fanajana ny fitsipipifehezana dia hita taratra amin’ny fanajana ny ora fiasana. Mikasika ny fanajana ny fitondran-tena. Aoka ho fantatsika fa faritra fady setroka sy fady fofon-toaka ny toeram-piasana. Ao anatin’ny fanajana ny fitsipipifehezana ihany koa ny fanajana sy fikajiana ny fitaovana sy ny toeram-piasana. Tsy maintsy manatanteraka ny andraikiny antsakany sy andavany ny mpiara-miasa tsirairay; sarotiny amin’ny fananana iombonana, indrindra amin’ny fiambenana ny tanana sy ny entana. Ny fanadiovana ny anatiny sy ivelany ny toeram-piasana mba hahasalamana sy hahatamana.
Tsara ho fantatsika ihany koa fa tanjona iray no hifarimbonantsika ho tratrarina ka tsy tokony hiolonolona fa hizara sy hampahafantatra amin’ny mpiara miasa ny asa atao isika ary hikajy ny fifampiankinan’ny asa tanterahina ary mitandro mba tsy hanimba ny asan’ny hafa ny tsy fahalavorarian’ny asan’ny tena. Andraikitra takiana amintsika ny famitana ny asa rehetra ataontsika ara-potoana.
Fianakaviambe iray moa isika no tafavory eto ka amin’ny fomba Ray aman-dreny ny Ministera dia fomba fanao mahazatra ny manome fanomezana ny zanaka rehefa tonga ny asaramanitra toy izao. Tsy hanin-kavoky fa voninahitra hifanomezana ary mandroy moka, mamatotra aloy, ka izay kely hita no hanajan-kavana. Koa misy fanomezana: vary 5kg, menaka 1 litatra, sardine 1 boaty, bonbon 1 sachet. Koa ho an’ireo zanaka ao anaty ankohonana mbola tsy mahazaka tena toy ireo vondronasa ao anaty rafitra foiben’ny MAEP dia omena lot iray ny mpiasa rehatra. Tsy diso anjara ihany koa ireo zanaka efa mahaleo tena manana ny tokantranony tsirairay avy, toy ireo DRDR sy ireo Tetikasa ary ireo Antokondraharaha mizaka tena, koa mba tsy hisian’ny fiangarana dia omena lot fixe isaky ny Antokondraharaha.
Koa mirary koa izahay raha mirary mba ho afaka manao fety sambatra ny fianakaviana tsirairay avy ary hampitao amin’ny mpiara-miasa amintsika rehatra any ny firariantsoa sy fahombiazana ho an’ny tsirairay?
Hitondra soa sy fanambinanan ho antsika anie ny taona vaovao ary manaova krismasy sambatra.
Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy.
|
|
|
|
|
|
|
|
|
 |
|
|
.