Tsy nofinofy fa azo tanterahana tsara ny fampitomboana ho avo roa heny ny voka-bary eto amintsika. Nisongadina izany omaly 29 Desambra 2008 tao amin’ ny kaominina ambanivohitra Kiangara, Distrikan’ Ankazobe, Faritra Analamanga tamin’ ny fijnjana ny voly avotra vary fanindroany 400ha tamin’ ireo fanamby hanaovana voly avotra vary tamin’ity taom-pamokarana ity no vita tao amin’ ny kaominina Kiangara raha 1700 ha no tanjona napetraka ho anjaran’ ny faritra Analamanga hanatanterahana izany. Anisan’ireo tantsaha nampihatra ny voly vary ara-tekinika Andriamatoa RASOLOMANANTSOA Alfred mpamboly. 5T/ha ny vokatra azony tamin’ ny tanimbary 1,5 ha.
Fantatra fa tanjon’ ny Foibem-paritry ny Fampandrosoana ny Tontolo Ambanivohitra eto amin’ ny Faritra Analamanga ny hanitatra ny velaran-tany ho volena ho 5.000 ha, hanaovana ny voly avotra vary amin’ io taom-pamokarana 2009 io.
REDACTION : ANDRIAMANJATO Elis
Emile RAKOTOARISOA
DATE : 29 Decembre 2008