FIJINJANA VARY TENY AMIN'NY FITARATR'IAVOLOHA

 

Tsara ny voka-bary niakatra tetsy amin’ny Fitaratr’Iavoloha tamin’ity taom-pamokarana tapany voalohany ity. 9T /ha ny taham-bokatra azo raha 6T/ha izany tamin’ny taon-dasa. Ny 08 mai 08 teo no nanatanterahana izany ka nahitana Minisitra 4 tao anatin’ny Governemanta, notarihin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono RAMANOELINA  Armand  Panja.
 Velaran-tany mahatratra 4,5 Ha no nambolena ny masomboly X-265 na vary mailaka izay vokatry ny Fikarohan’ny FOFIFA. Nampiharana ireo andry dimy amin’ny fanatanterahana ny Fiovana lehibe maitso ity fambolena ity toy ny fampiasana ny masomboly voafantina, ny fifehezana ny rano, ny fampiasana zezika , ny fampiharana ireo teknika manara-penitra  dia ny ketsa valo andro ka fitaovam-pamokarana maoderina no nentina  nijinja  ny vary teny an-toerana mba hisorohana ny fahaverezam-bokatra.

 Araka ny fanambaran’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono teny an-toerana dia mamporisika ny rehetra amin’ny fanaovana fambolena manaram-penitra izy mba hitomboan’ny vokatra hamatsiana ny mponina eto amintsika sy hitodihana amin’ny fanondranana any ivelany. Toro-marika napetraky ny Ministra ihany koa ny famporisihana ny tantsaha hijinja ny vary eny an-tanimbary ka tsy hamela azy maharitra mba hiarovana ny fahaverezam-bokatra noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, anisan’izany ny oram-be sy ny havandra izay namely tamin’ny faritra vitsivitsy teto amintsika toy Antananrivo sy Ambatondrazaka. Anisan’ny paik’ady akaiky indrindra hisorohana ny fahataran’ny fijinjana ny vary ny famporisihana ny tantsaha hanao voly avotra. Hisy ny fanampiana ataon’ny Ministeran’ny Fambolena  amin’ny ambioka sy ny zezika ka Faritra  12 no efa voajery akaiky ny amin’izany.

 Tanjona ao anatin’izany rehetra izany ny hampitomboana hatrany ny vokatra sakafo eto amintsika.

 

 

Rédacteur :Emile RAKOTOARISOA     (SCID/DSI/MAEP)
Date : 09 Mai 2008