Feno 10 taona ny FIVEMA (Fikambanan'ny Dokotera Veterinera tsy Miankina eto amin'ny Faritra Analamanga).
Ho fanamarihana izany dia nisy ny atrik'asa Iraisam-pirenena nataon'ireo Profesora sy Dokotera Veterinera maro tao amin'ny Le Castel Anjozorobe ny faran'ny herinandro teo. Fifanakalozana traikefa sy fifampitam-baovao no natao ary fijerena indrindra ihany koa ny amin'ny aretina mpahazo ny biby fiompy dia ny omby izany. Anjozorobe no nosafidiana hanaovana izao atrikasa izao noho io toerana io nahitana ilay aretina izay nandripaka omby maromaro. Tanjona ny hampivelatra ny asan'ny Veterinera hampandroso ny fiompiana amin'ny lafiny rehetra, hikaroka sy hanome lanja ny fifandraisana arak'asa amin'ireo antokon'olona na ONG na fikambanana ary hanaja ny déontologie.
Ho an'ny FIVEMA dia lafin-javatra maro no andrasany amin'izao atrik'azsa izao araka ny hambaran'ny Filohany Dokotera RAVONIARISOA Nivo Beby azy teo amin'ny fandraisam-peon'ny namana Emile RAKOTOARISOA.
Tarigetran'ny FIVEMA ny hoe: Omby Salama, mpiompy milamina, vahoaka tomady ary firenena mandroso. Tanjona mbola hiatrehana ny 10 taona ho avy indray izany.
Daty: 16 Septambra 2008
Rédaction: Emile RAKOTOARISOA