ANDROM-PIRENENA NATOKANA HO AN'NY EASTA

(Ecole d'Application des Siences et Techniques Agricoles) eto Madagasikara


Nomarihina ny Zoma faha 4 ny Volana Jolay 2008 ny androm-pirenena natokana ho an’ny EASTA eto Madagasikara. EASTA na Ecole d’Application des Siences et Techniques Agricoles, Sekoly eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono.
Voalohany teo amin’ny tantaran’ity Sekolim-piofanana ho tonga teknisiana amin’ireo sehatr’asa eny Ambanivohitra ity io andro io. Vory lanona tao amin’ny EASTA-PRO ao amin’ny Kaominina Antsakoamanondro Distrikan’Ambanja, Faritr’i Diana avokoa ireo Tale sy tompon’andraikitra vitsivitsy avy amin’ireo EASTA 6 manerana ny Nosy. EASTA 4 avy amin’ny Faritanin’Antananarivo, Toamasina, Mahajanga, ary Fianarantsoa, ny 2 kosa EASTA –PRO ao amin’ny Faritanin’i Diego sy Toliara.
Andro iray natokana hampafahatarana ny sekoly EASTA sy ny andraikitra sahaniny eo amin’ny sehatra fampandrosoana ny tontolo Ambanivohitra  sy ny Firenena io andron’ny Zoma 04 Jolay 2008. Nisy ny kabary nifadimbiasan’ireo olo-manan-kaja maro nasaina ho fanamarihana izany. Nisy koa ny fampiratiana tamin’ireo trano heva miisa 14 nandraisan’ny Sekoly EASTA anjara sy ireo mpiara-miombon’antoka taminy teo amin’ity sehatrin’ny fampiroboroboana ny tontolo Ambanivohitra ity .
Nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra izay  nisolotena ny  Lehiben’ny Faritr’I Diana, fa zava-dehibe tokoa ho an’ny Faritra ny fananany  ny EASTA –PRO ao Ambanja, ka fikasana ho izy  ny hanaovana io Sekoly io ho “Vitrine” toy ny  Iavoloha Antananarivo
Misedra olana anefa ny ankamaroan’ireo Sekoly  nohon’ny fahanteran’ny foto-drafitr’asa izay marihina  fa efa niorina  teto Madagasikara hatramin’ny taona 1950, niovaova hatrany ny anarana nentin’ny Sekoly fa hatramin’ny taona 1986 no nitondrany ny anarana EASTA. Vao telo taona kosa izay no nisian’ny EASTA-PRO ao Ambanja.
Araka ny voalazan’ny Talem-paritrin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitr’I Diana, RIKARIKA Lucien Joseph, dia  kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny Sekoly EASTA eto Madagasikara ka zava-dehibe tokoa ny fanampiana ireo Sekoly 6 manerana ny Nosy.
Loabary an-dasy niompana tamin’ny lohahevitra telo no nanohizana ny fandaharam-potoana ny harivan’io Zoma io. Novelambelarina tamin’izany  ny momba ny Sekoly EASTA, ny fandraharana  aram-pambolena (Agribusiness) niaraka tamin’ny MCA, ary farany ny fiantraikan’ny tontolo iainana eo fizahantany.
Nisy ny fiaraha-nisakafo ny rehetra ho toy ny  nofon-kena mitam-pihavanana.  

Rédacteur : Fiononana R /SCDI/DSI/MAEP
Date : 07 Juillet 2008