TOROMARIKA MOMBA NY ADY ATAO
AMIN'NY FAHAVALON'NY CYPRES



Saika hita manerana ny faritra maro eto amintsika ny fahasimban’ny « Cyprès ». Maina ny ravina sy taho madinika amin’ny voalohany. Mihitatra izany ary mihalehibe ny faritra maina. Amin’ny farany dia maty tanteraka ilay fototra tratrany. Bibikely karazana ramerina, no mahatonga izany. Manindrona sy mitsetsitra ny ravina ary ny taho madinika izy ary mandefa poizina ka izany no mahatonga ny “cypress” ho maina toy ny may. Mora mifindra ireo bibikely ireo ary mora mihitatra ny fahavoazana ka tokony hitandrina tsara ary handray fepetra hisorohana izany. Tsara raha ady faobe no atao.

Anisan’ny ahafantarana azy koa ny fisian’ny dinty eny amin’ny ravina sy ny taho na koa faritra mitakosona somary mainty.
Vao manomboka hita soritra ny fahamainan’ny ravina na taho na koa vao miseho ireo bibikely ireo dia atomboka ny ady. Tapaho ny ratsana hita fa tena maina alohan’ny fanapariahana fanafody mba hamerana ny fanafody ampiasaina.
Rarafana fanafody avokoa na ny “cyprès” mitsitikatokana. Entanina ny fandraharahana fanafody miaraka  amin’ny faritra iray.

 

Fanafody
Fatra
Chlorpyriphos-ethyl+cypermethrine (Basy)
600 ml/ha
Lambdacyalothrine+acétamipride (PACHA 250EC)
1 l/ha
Métamidophos
1 l/ha
Cyfluthrine
250 ml/ha
DIMETHOATE E400 EC
1 l/ha
MALATHION
2 l/ha
TAMARON
1 l/ha
Baythroïd
250 ml/ha
Makà toromarika any amin’ny sampan-draharaha miandraikitra ny fiarovana ny voly na any amin’ny teknisianina nahazo alalana ivarotana fanafody raha mila fanazavana momba ny fomba fampiasana ireo fanafody ireo.
Fadio ny mandraraka fanafody amin’ny andro avy orana. Haverina isaky ny 10 na 15 andro izany raha ilaina.
ANTOKY NY FAHOMBIAZANA NY FIARAHA-MIENTAN’NY REHETRA AMIN’NY ADY ATAO.