MAEP SY AVITECH
mpiara-miombon'antoka ho fampivoarana ny fiompiana akoho eto  Madagasikara

 


Mpiofana miisa 46 avy amin'ny faritra maro manerana ny Nosy no nahavita ny fiofanana momba ny fiompiana akoho manara-penitra ny zoma 25 aprily teo tao amin'ny CAF Antsirabe. Fiofanana izay nokarakarain'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono niaraka tamin'ny Avitech ao anatin'ilay fiaraha-miombon'antokin'ny Fanjakana sy ny tsy miankina ho fampivoarana ny fiompiana eto amintsika.

                                   TANJONA MATIPAIKA

"Tanjona efa nosoritan'ny fitondrana ny hampitomboana ho avo roa heny ny vokatra sakafo amin'ny taona 2009, hoy Rtoa Rakotomalala Eline Talen'ny Foibe-mpitantanana ny mpiasa ao amin'ny MAEP, izay nisolontena ny Ministra tompon'andraikitra, ka ho firosoana amin'izany indrindra no nanatanterahana izao fiofanana izao, satria ny fiompiana akoho mpanatody lava sy fakana nofo amin'ny fomba manara-penitra no tena nifantohan'ny fiofanana". Ny hampivoarana ny fiompiana ho fanatsarana ny fidiram-bolan'ireo mpiompy sy ny ahatonga azy ireo ho matihanina no efa nilofosan'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny jono hatrizay ary mbola hotohizana izany amin'izao fiarahana amin'ny Orin'asa tsy miankina Avitech izao.

                                 HAPARITAKA NY FIOFANANA

"Fampiofanana roa no efa tontosa tao anatin'ny fiaraha-miasan'ny roa tonta, hoy kosa Rtoa Vololona Andriamanantenasoa Tompon'andraikitry ny Fampiofanana ao amin'ny Avitech , ka tanjona ny hanapariahana izany any amin'ny faritra ".

 Ny fiofanana voalohany izay natao teny amin'ny CAF Mahitsy tamin'ny volana Novambra 2007 dia nanofanana ireo efa mpiompy mba ho tonga matihanina, fa ity faharoa ity kosa dia nanofanana ireo izay vao mikasa ny hanao ny fiompiana akoho mpanatody lava sy fakana nofo. Narahina fampiharana hatrany ny fiofanana ary nisy koa ny fitsidihana toeram-piompiana akoho  manaram-penitra. .Ankoatry ny fomba fiompiana manara-penitra dia nampianarina ireo mpiofana koa ny fomba fitantanana ny fiompiana, ny fitadiavana lalam-barotra ary ny fandrafetana tetik'asa ho fitadiavana famatsiam-bola.

                                 NAHAZO TOMBONY IREO MPIOFANA

Tena nahafa-po ny fiofanana hoy ireo mpiofana satria feno dia feno ny toro-hevitra sy ny fanazavana nomena azy ireo.

"Antonony koa  ny saram-piofanana hoy ihany ny  Mpiofana iray  avy any amin'ny faritry Diana, satria  Ar20 000 izany nandritry ny dimy andro ary niampy  Ar4500 isan'andro hoan'ireo izay natory sy nisakafo tao amin'ny CAF Antsirabe,. Tsara sy nahafinaritra  koa ny fandraisana sy fikarakarana tao amin'ny CAF ary tsy maty antoka mihitsy izahay, hoy ihany izy raha namarana ny teniny"
 
Nandritry ny lanonam-mpamaranana izay notronin'ireo olo-manan-kaja sy manampahefana  vitsivitsy tao an-toerana  no nanolorana nyTaratasy fanamarinam-piofanana hoan' ireo mpiofana rehetra. Marihina fa nifanahatsahana ny isan'ny lahy sy ny vavy tamin'izy ireo ka 23 taona ny zandriny indrindra ary maherin'ny 60 taona ny zokiny indrindra.
Notokanana nandritra io fotoana io koa ny toeram-pivarotana Avishop iray vaovao ao Antsirabe mba hanomezana fahafam-po ireo mpiompy sy ny mpanjifa.

REDACTION :Fiononana RANAIVOSON
Date : 28 Avril 2008