Atrikasa ho Fanaingana ny Fanatanterahana
ny Fiovana Lehibe Maitso Maharitra sy ny
Madagasikara Amperin'asa eto amin'ny Faritra Analamanga

 

Notanterahina ny 10 avril 2008 teny amin’ny CNEAGR  Nanisana ny atrikasa ho fanaingana ny fanatanterahana ny Fiovana Lehibe  Maitso maharitra sy ny Madagasikara Amperin’asa eto amin’ny Faritra Analamanga. Atrikasa niarahan’ny Foibem-paritry ny Fampandrosoana ny eny ambanivohitra  Analamanga (DRDR) sy ny Faritra Analamanga nanatanteraka. Tanjona ny hijerena akaiky ny fomba hampitomboana ny famokarana hatrany ifotony izany hoe miainga any amin’ny kaominina mba ahatrarana ny vokatra ho avo roa heny amin’ny taona 2009 sy ho avo telo heny amin’ny taona 2012.
Ho an’ny Faritra Analamanga manokana raha nandray ny fitenenana ny Lehiben’ny Faritra  dia nasongadiny ny maha-zava-dehibe ity atrikasa ity. « Tsy maintsy miainga amin’ ny tantsaha  ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ho an’ ny faritra Analamanga ». Ny 92% ny velaran-tany eto amin’ ny faritra Analamanga dia tontolo ambanivohitra avokoa.  Raha ny mponina indray dia ny 35% -ny no mponina ambanivohitra . Ny 65% ny mponina kosa no monina antanan-dehibe. Ny zava-misy ny tantsaha eny ambanivohitra no mamatsy ara-tsakafo ny mponina ambonivohitra. Tsy maharaka  ny filana ny vokatra miakatra. Mila fomba fiasa vaovao eny amin’ ny tontolo ambanivohitra toy ny fidirana amin’ ny fampiharana  ny teknikam-pambolena, ny fifehezana ny rano, fampiasana  fitaovam-pamokarana mahomby  raha ny sehatry ny fambolena. Eo ihany koa  ny fisokafana amin’ny any ivelany mba hampitomboana ny famokarana.

Ezaka lehibe efa tombony ho an’ ny faritra ny nametrahan’ ny Foibem-paritry ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra  Analamanga (DRDR) efa ho telo taona izao ny fametrahana hatrany ifotony ireo “animateurs villageois” sy ny fanofanana azy ireo hanampy ny tantsaha amin’ny fanomezana toro-marika  ho fampiharana ireo tekinikam-pambolena  ho fampitomboana  ny vokatra. Teo ihany koa ny hetsika angaredona nataon’ireo mpiasan’ ny Minisiteran’ ny Fambolena miisa 275 tamin’ireo Distrika 5 teto Analamanga (Manjakandriana, Andramasina, Anjozorobe, Ambohidratrimo ary Ankazobe ), ny fametrahana ireo sites vitrines na fitaratra ho amin’ ny fambolem-bary isaky ny kaominina m miisa 106 tamin’ ny taom-pamokarana 2005-2006. Nahatratra 244.032 T  ny voka-bary tamin’ ny taona 2005. Nisy fitomboana 236.000 T (vokatra vonjimaika  ) izany ny taom-pamokarana 2006-2007.

Raha ny tanjona manokana kendrena ho an’ ny Faritra Analamanga dia kendrena  ny hanajariana lemaka  vaovao 5.000 Ha sy hanitatra faritra azo hanaovana vary an-tanety mahatratra 4.000 Ha. Tsy latsa-danja amin’ izany ny sehatry ny fampiroborobona ny fiompiana : Omby, kisoa, sy ny maro hafa ary ny famokarana ny trondro andranomamy. Nanamarika ny Minisitry ny Fambolena ny Fiompiana ary ny Jono RATOLOJANAHARY Marius fa “ Ny 10% ny filana ara-bary no nafaran-tsika hatramin’ izay tany ivelany. Tosika kely no hatao amin’ ireo tantsaha dia ho tratra ny tanjona amin’ ny tsy  hanafaram-bary”.

Date: 11 Avril 2008
Rédacteur: Emile RAKOTOARISOA
                     (SCDI/MAEP)