Tao aorian’ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpamboly vary mendrika tamin’ity taom-pambolena 2007-2008 ity ,izay natao teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha , dia tsy ho nofinofy intsony ny ahafahantsika hampitombo ny voka-bary eto Madagasikara .
Nisy mantsy ny fanaovan-tsonia fifanekem-piaraha-miasa vaovao teo anivon’ny Fanjakana Malagasy , andaniny ,tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono,sy ny Governemanta Japoney , ankilany, tamin’ny alalan’ny New JICA na Japan International Cooperation Agency. Fanaovan-tsonia Tetik’asa iray ho fanatsarana ny voka-bary eto Madagasikara ka ny eto afovoan-tany no hanombohana azy.
Faritra dimy no hiasan’ity Tetik’asa ity ao anatin’ny 5 taona: dia ny Faritra Alaotra –mangoro, Bongolava, Vakinakaratra, Analamanga ary Itasy, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono Panja Ramanoelina.
Lafin-javatra telo no ho voakasika ao anatin’izany tetik’asa izany, dia :
-Fanafarana ireo manam-pahaizana Japoney ho eto Madagasikara hifanampy amin’ireo Teknisiana Malagasy
-Fanampian’ny Japoney amin’ny lafiny ara-pitaovana fiara, fitaovana ilaina amin’ny birao, fitaovana ilaina
amin’ireo foibe fampitomboana ny masomboly amin’ireo faritra iasana
-Fanofanana ireo tompon’andraikitra Malagasy mahakasika ny lafiny fampitomboana ny voka-bary
Fanamby lehibe no miandry ny MAEP amin’ny taona 2009 satria voka-bary hatramin’ny 7.000.000T no ho tratrarina ka inoana fa ho fanoitra lehibe hoamin’izany ity Tetik’asa vaovao ity.
Efa hatramin’ny taona 2003 no niroborobo ny fiaraha-miasa teo anivon’ny Fanjakana Malagasy sy ny Governemanta Japoney, indrindra teo amin’ny lafiny Fambolena sy ny lafiny Jono ary mbola manaporofo izany izao fanaovan-tsonia izao. Marihina fa ity tetik’asa vaovao ity dia mifandray amin’ny tetik’asa efa nisy teo aloha ihany toy ny Fanavaozana izay natao tao amin’ny CFAMA ao Vakinakaratra.
Date: 01 Décembre 2008
Rédacteur : Fiononana RANAIVOSON
SCDI –DSI / MAEP/ Tel :0320423414
.