
Didi-pitondrana N°16527 / 2003 mamaritra ny andraikitra sy ny fiasan’ny GTDR nahitsy ny Didi-pitondrana 19035 – 2004 t@ 08 oktobra 2004 sy ny Didi-pitondrana 10903 – 2007 t@ 04 jolay 2007.
GTDR na « Groupe de Travail de Développement Rural » dia rafitra fandrindrana ireo asa-fampandrosona , fiaraha-midinika ireo mpiara-miombon’antoka.
Manambatra ireo mpandray anjara sy mpiara-miombon’antoka eo amin’ny faritra.
Firafitry ny GTDRs

Andraikitry ny GTDRs
Mandrafitra ny sori-dalana, paikady, fepetra ary ireo asa araka ny lahara-pahamehana mahakasika ny fampandrosoana ny tontolo amabanivohitra eo amin’ny faritra.
Mijery ireo sakana sy ny mety amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.
Mandrafitra sy manavao ireo antontan-kevitra lasitra eo amin’ny faritra « référentiel régional »
Mamakafaka ireo tondro ny fampandrosoana sy ireo asa na tetik’asa misy
Asan’ny GTDRs
Mijery sy mamantatra ireo tetik’asa misy eo amin’ny faritra mikasika ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra
Mijery ny filan’ny faritra sy mandahatra ireo lahara-pahamehana ao amin’ny PRDR
Mampifanaraka ny PCD sy ny PRDR
Mandamina ny sehatra fifanakalozan-kevitra (ateliers…) sy fampitam-baovao: ohatra ny famokaran-dronono
Mandray anjara amin’ny fitilina, fanomanana ary fanaraha-maso ireo tetik’asa (P/P) amin’ny fanatanterahana ny PRDR
Manao ny tomban’hezaka amin’ny fanatanterahana ny PRDR
Ny GTDR Analamanga
Le GTDR Analamanga dia miasa @ alalan’ny secrétariat technique izay napetraka t@ taona 2004.
Nanomboka ny taona 2004 ka hatramin’ny aogositra 2008, ny GTDR Analamanga dia novatsian’ny Banque Mondiale vola.
Novembre 2008 ka hatramin’ny 30/04/09= Union Européenne
Mifarana io 30/04/09 ny période opérationnelle